FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Andro Farany
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Misy ifandraisany amin’ny faran’ny tontolo jiosy koa ilay “fotoana farany” sy “andro farany” nisehoan’i Kristy Jesosy sy nanaovany ny fanompoany. (1Pe 1:20, 21; He 1:1, 2) Manamarina izany ny voalazan’ny Hebreo 9:26 hoe: “Fa ankehitriny, dia niseho indray mandeha monja [i Jesosy] mandritra ny fifaranan’ireo rafitra nisy teto amin’ity tontolo ity, mba hanaisotra ny ota amin’ny alalan’ny soron’ny tenany.”

  • Rafitr’ity Tontolo Ity
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Mandamina an’ireo ‘rafitra misy eto amin’ity tontolo ity’ Andriamanitra. Hoy ny Hebreo 11:3: “Finoana no ahatakarantsika fa ny tenin’Andriamanitra no nandamina ireo rafitra nisy teto amin’ity tontolo ity [aiôn, mr.], ka ny zavatra tsy miseho no iavian’ny zavatra hita maso.” Maro no mihevitra fa ireo rafitra ireo ihany no resahin’ny Hebreo 1:2, izay ahitana koa an’ilay teny hoe aiôn amin’ny endriny milaza maro. Voalaza ao fa miteny amin’ny alalan’i Jesosy Kristy i Jehovah, ary io Zanany io no “notendreny ho mpandova ny zava-drehetra, ary tamin’ny alalan’io no nanaovany ireo rafitra nisy teto amin’ity tontolo ity.” Ny fahazoan’ny olona ny dikan’ilay teny grika hoe aiôn ao amin’ireo andininy ireo anefa no tsy mitovy.

      Misy milaza fa ireo zavatra miavaka mandritra ny vanim-potoana iray no resahina eo. Hazavain’ny Hebreo toko faha-11 fa ny finoana no nahazoan’ny “olona fahiny porofo fa nankasitrahan’Andriamanitra izy ireo.” (And. 2) Tanisain’i Paoly avy eo ireo olona nanam-pinoana talohan’ny Safodrano, sy tamin’ny andron’ireo loham-pianakaviana fahiny, ary tamin’ny fotoana naha teo ambanin’ny Lalàna ny Israelita. Nandritra ireo vanim-potoana ireo Andriamanitra no nanatanteraka tsikelikely ny fikasany hanafoana ny fikomiana sy hampihavana aminy indray an’ireo olona mendrika. Nampiasa ny zava-nitranga teo amin’ireo “rafitra [nifandimby] teto amin’ity tontolo ity” ireo koa izy mba hanatanterahana izany fikasany izany. Tsy maintsy nino àry ireo olona fahiny ireo fa nitarika ny zava-drehetra tamin’ny fomba nilamina tsara ilay Andriamanitra tsy hita maso, ary nino izany tokoa izy ireo. Nino koa izy ireo fa Andriamanitra no nampisy an’ireo rafitra samy hafa, ary natoky izy ireo fa tsy maintsy ‘ho tanteraka ny fampanantenany’ amin’ny fotoana voatondrony. Tsy andrin’izy ireo ny hanatanterahan’Andriamanitra an’ilay fikasany hampisy rafitra hafa, izay haorina noho ny soron’i Jesosy sy ny fifanekena vaovao.​—He 11:39, 40; 12:1, 18-28.

      Misy indray milaza fa mitovy amin’ny hevitry ny teny grika hoe kôsmôs ihany ilay aiôn ao amin’ny Hebreo 1:2 sy 11:3, ka midika hoe izao tontolo izao na izao rehetra izao noforonina, anisan’izany ny masoandro, volana, kintana, ary tany. Toa manamafy izany ny voalazan’ny Hebreo 11:3 hoe “ny zavatra tsy miseho no iavian’ny zavatra hita maso.” Mety ho ny tantaran’ny famoronana ao amin’ny Genesisy koa no tian’io andininy io horesahina, satria avy eo i Paoly niresaka momba an’i Abela (and. 4), Enoka (and. 5, 6), ary Noa (and. 7). Mety ho te hanazava bebe kokoa ny atao hoe finoana àry i Paoly matoa izy niresaka momba an’izao rehetra izao, toy ny masoandro sy volana ary kintana, mba hanaporofoana fa misy ny Mpamorona.​—Ampit. Ro 1:20.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara