FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Fiakaran’i Jesosy Tany An-danitra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Nisantatra “lalam-baovao sy velona.” Marina fa hitan’ny mpianany niakatra tany an-danitra i Jesosy, kanefa tsy nanana an’iny vatany iny intsony izy rehefa takon’ny rahona. Nilaza mantsy i Petera fa nofo i Jesosy rehefa novonoina, fa “fanahy” kosa rehefa natsangana. (1Pe 3:18) Nanazava koa i Paoly fa “tsy afaka mandova ny fanjakan’Andriamanitra ny nofo aman-dra.” (1Ko 15:50; ampitahao koa ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Jn 12:23, 24 sy 1Ko 15:35-45.) Nampitovin’i Paoly tamin’ny fidiran’ny mpisoronabe tao amin’ny Masina Indrindra tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana, ny nankanesan’i Jesosy teo anatrehan’Andriamanitra tany an-danitra. Nilaza izy fa ny ran’ny biby natao sorona ihany, fa tsy ny nofony, no nentin’ilay mpisoronabe tao. (He 9:7, 11, 12, 24-26) Avy eo dia nampitahainy tamin’ilay ridao nanasaraka ny efitra voalohany sy ny Masina Indrindra, ny nofon’i Kristy. Tsy nentin’ilay mpisoronabe niaraka taminy akory ilay ridao, rehefa niditra tao amin’ny Masina Indrindra izy mba hiseho teo anatrehan’Andriamanitra. Nandalo teo amin’ilay izy fotsiny izy. Nilaza àry i Paoly fa “manana fahasahiana hiditra eo amin’ilay lalana mankao amin’ny toerana masina isika, ... noho ny ran’i Jesosy. Izany lalana izany no nosantariny ho antsika ho lalam-baovao sy velona izay mamaky eo amin’ilay ridao, izany hoe ny nofony.”​—He 9:3, 24; 10:10, 19, 20; ampit. Jn 6:51; He 6:19, 20.

      Niakatra tany an-danitra i Jesosy mba hanolotra amin’i Jehovah ny vidim-panavotana noho izy efa nanao sorona ny ainy. Tamin’izay izy no nisantatra “lalam-baovao sy velona” hanatonana an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka. Afaka mankany an-danitra koa ny olombelona nanomboka teo. Talohan’izay mantsy mbola “tsy nisy niakatra tany an-danitra afa-tsy ilay nidina avy any, dia ny Zanak’olona”, hoy i Jesosy. (Jn 3:13) Tsy mbola nisy nankany àry na i Enoka, na i Elia, na i Davida. (Ge 5:24; 2Mp 2:11; As 2:34) Hoy mantsy i Paoly: ‘Asehon’ny fanahy masina mazava fa mbola tsy naharihary ny lalana mankao amin’ny toerana masina raha mbola nijoro ilay tranolay voalohany.’​—He 9:8; jereo ELIA No. 1; ENOKA No. 2.

  • Nofo, Hena
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Nilaza i Paoly fa ny nofon’i Jesosy dia nifanitsy tamin’ilay ridao teo anoloan’ny Masina Indrindra, tao amin’ny toerana masina. Rehefa avy nanao sorona an’io nofony io mantsy i Jesosy vao nisokatra ny lalana mankany an-danitra, izany hoe mankao amin’ny Masina Indrindra an’ohatra.​—He 9:24; 10:19, 20.

  • Lanitra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Miakatra any an-danitra. Resahin’ny 2 Mpanjaka 2:11, 12 hoe “niakatra ho any amin’ny lanitra tao anaty tafio-drivotra” i Elia mpaminany. Tsy ny lanitra fonenan’Andriamanitra akory ny tiana holazaina eo, fa ny habakabaka misy tafio-drivotra. Tsy maty i Elia tamin’izay satria mbola velona an-taonany maro, taorian’ny nahitan’i Elisa azy niakatra ho any amin’ny lanitra. Tsy nankany an-danitra koa izy rehefa maty, satria nilaza mazava i Jesosy tamin’izy teto an-tany hoe: “Tsy nisy niakatra tany an-danitra.” (Jn 3:13; jereo ELIA No. 1 [Nandimby azy i Elisa].) Noresahin’i Petera koa tamin’ny Pentekosta fa “tsy niakatra tany an-danitra” i Davida. (As 2:34) Tsy milaza mihitsy ny Baiboly hoe nanantena ny ho any an-danitra ny mpanompon’Andriamanitra velona talohan’ny nahatongavan’i Kristy Jesosy tetỳ an-tany. I Jesosy no voalohany nampanantena izany ny mpianany. (Mt 19:21, 23-28; Lk 12:32; Jn 14:2, 3) Efa taorian’ny Pentekosta taona 33 koa izy ireo vao nahazo tsara ny dikan’ilay fampanantenana.​—As 1:6-8; 2:1-4, 29-36; Ro 8:16, 17.

  • Fitokanana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Nanao fanomezana sy fanatitra ireo mpiadidy ny foko tsirairay, rehefa notokanana tany an-tany efitra ny alitaran’ny tranolay masina. (No 7:10, 11, 84-88) Nisy fivoriambe nanetriketrika koa rehefa notokanana ny tempolin’i Solomona sy ilay alitara lehibe fanaovana sorona.​—1Mp 8:63; 2Ta 7:5, 9.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara