FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Enoka Tsy Nanan-tahotra na Inon-kidona na Inon-kihatra
    Ny Tilikambo Fiambenana—1997 | 15 Janoary
    • Nentin’Andriamanitra i Enoka — Tamin’ny fomba ahoana?

      I Jehovah dia tsy namela an’i Satana na ireo mpanompony teto an-tany hamono an’i Enoka ho faty. Milaza toy izao kosa ny firaketana an-tsoratra ara-tsindrimandry: “Nentin’Andriamanitra [izy].” (Genesisy 5:24). Milazalaza izany amin’izao fomba izao ny apostoly Paoly: “Finoana no namindrana an’i Enoka tsy hiharan’ny fahafatesana; ka dia tsy hita izy, satria nafindran’Andriamanitra; fa talohan’ny namindrana azy dia nambara fa nankasitrahan’Andriamanitra izy.” — Hebreo 11:5.

      Ahoana no ‘namindrana an’i Enoka tsy hiharan’ny fahafatesana’? Na, araka ny fandikan-teny nataon’i R. A. Knox, ‘ahoana no nanesorana an’i Enoka, tsy nandia fahafatesana’? Namarana tamim-piadanana ny fiainan’i Enoka Andriamanitra, ka nitsimbina azy tamin’ny fanaintainan’ny fahafatesana, na avy tamin’ny aretina izany, na herisetra teo am-pelatanan’ireo fahavalony. Eny, i Jehovah dia nanafohy ny fiainan’i Enoka teo amin’ny faha-365 taonany — somary vao herotrerony ihany raha noharina tamin’ireo mpiara-belona taminy.

      Ahoana no ‘nanambarana an’i Enoka fa nankasitrahan’Andriamanitra izy’? Porofo inona no nananany? Azo inoana fa nampiditra an’i Enoka ho ao anatin’ny tsy fahatsiarovan-tsaina Andriamanitra, tsy nisy hafa tamin’ny ‘nampiakarana’, na, namindrana, ny apostoly Paoly, izay miharihary fa nahazo fahitana ny amin’ny paradisa ara-panahy ho avy, hiainan’ny kongregasiona kristiana. (2 Korintiana 12:3, 4). Mety ho tafiditra tamin’ilay fanambarana, na, porofo, fa nankasitrahan’Andriamanitra i Enoka, ny fahitana niserana ny Paradisa eto an-tany amin’ny hoavy, izay hanohanan’ny velona rehetra ny fiandrianan’Andriamanitra. Angamba iny izy nahazo fahitana nahatretrika iny indrindra no nentin’Andriamanitra ho amin’ny fahafatesana tsy nisy fanaintainana mba hatoriany mandra-pahatongan’ny andro hitsanganany amin’ny maty. Toa hita fa, toy ny tamin’i Mosesy, dia nesorin’i Jehovah ny fatin’i Enoka, satria “tsy hita izy”. — Hebreo 11:5; Deoteronomia 34:5, 6; Joda 9.

  • Enoka Tsy Nanan-tahotra na Inon-kidona na Inon-kihatra
    Ny Tilikambo Fiambenana—1997 | 15 Janoary
    • Nankany An-danitra ve i Enoka?

      “Finoana no namindrana an’i Enoka tsy hiharan’ny fahafatesana”. Amin’ny fandikany an’io tapany amin’ny Hebreo 11:5 io, ny fandikan-tenin’ny Baiboly sasany dia manondro fa tsy tena maty i Enoka. Ohatra, ny A New Translation of the Bible nataon’i James Moffatt, dia manambara hoe: “Tamin’ny finoana no nitondrana an’i Enoka nankany an-danitra mba tsy ho faty mihitsy izy.”

      Telo arivo taona teo ho eo taorian’ny andron’i Enoka anefa, dia nanambara toy izao i Jesosy Kristy: “Tsy nisy niakatra ho any an-danitra, afa-tsy Ilay nidina avy tany an-danitra, dia ny Zanak’olona”. (Jaona 3:13). Izao no vakina ao amin’ny The New English Bible: “Tsy nisy mihitsy niakatra nankany an-danitra, afa-tsy ilay nidina avy tany an-danitra, dia ny Zanak’olona.” Rehefa nanao io fanambarana io i Jesosy, na ny tenany aza dia mbola tsy niakatra tany an-danitra. — Ampitahao amin’ny Lioka 7:28.

      Manambara ny apostoly Paoly fa i Enoka sy ny hafa izay mahaforona ireo vavolombelona maro toy ny rahona talohan’ny andro kristiana, dia ‘maty avokoa’ ka “tsy mbola nahazo ny teny fikasana”. (Hebreo 11:13, 39). Nahoana? Satria ny olombelona rehetra, anisan’izany i Enoka, dia nandova ota avy tamin’i Adama. (Salamo 51:5; Romana 5:12). Ny hany fomba hahazoana famonjena dia amin’ny alalan’ny sorom-panavotan’i Kristy Jesosy. (Asan’ny Apostoly 4:12; 1 Jaona 2:1, 2). Tamin’ny andron’i Enoka, dia mbola tsy voaloa io avotra io. Noho izany, dia tsy nankany an-danitra i Enoka, fa matory ao amin’ny fahafatesana, miandry ny fitsanganana amin’ny maty eto an-tany. — Jaona 5:28, 29.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara