FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Azazela
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Nohazavain’ny apostoly Paoly fa sarobidy lavitra noho ny “ran’ombilahy sy ny ran’osilahy” ny ran’i Jesosy, rehefa nanolotra ny ainy lavorary ho sorona ho an’ny olombelona izy. (He 10:4, 11, 12) Toy ny hoe izy àry ilay ‘osy fanalana faditra’, noho izy ‘nitondra ny aretintsika’ sy ‘notrobarana noho ny helotsika.’ (Is 53:4, 5; Mt 8:17; 1Pe 2:24) ‘Nitondra’ ny fahotan’izay rehetra maneho finoana an’ilay sorona nataony izy. Noho iny sorona iny, dia tsy hotsarovan’Andriamanitra intsony ny fahotan’izy ireo. Mifanitsy amin’ilay osilahy “ho an’i Azazela” tokoa àry ny soron’i Jesosy Kristy.

  • Kapoka
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Naminany i Isaia fa hitondra ny aretina sy fanaintainan’ireo mino azy ny Mesia. Hoy izy: “Ny ratrany no nahazoanay fanasitranana.” (Is 53:3-5) Nampiharin’i Petera tamin’i Jesosy Kristy io faminaniana io ka hoy izy: “Izy no nitondra ny fahotantsika tao amin’ny vatany, teo amin’ny tsato-kazo, mba ho afaka amin’ny ota isika ka hanao ny marina foana eo amin’ny fiainantsika. ‘Ny ratra taminy no nahasitrana anareo.’”​—1Pe 2:24.

  • Loha
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Niaiky ny fahotan’ny vahoaka ny mpisoronabe isan-taona, ka nametraka ny tanany roa teo amin’ny lohan’ny osilahy ho an’i Azazela (nafindra tany amin’ilay osilahy ny fahotana). Nalefa tany an-tany efitra ilay osy avy eo mba hitondra an’ireny fahadisoana ireny ka tsy hotsarovana intsony izy ireny. (Le 16:7-10, 21, 22) Tanteraka izany rehefa ‘nitondra ny aretintsika sy nizaka ny fanaintainantsika’ i Jesosy Kristy, sady ‘nitondra ny fahotan’ny maro.’​—Is 53:4, 5; He 9:28; 1Pe 2:24.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara