FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Andilana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Matetika no nanao fehikibo teo amin’ny andilana ny olona, indrindra fa ny miaramila. Nasisiky ny miaramila teo ambanin’ny fehikibony, na naraikiny teo amin’ilay fehikibo, ny tranon-tsabatra. (2Sa 20:8; Ne 4:18) Teo amin’ny andilany no nitondran’ny mpitan-tsoratra ny fitoeran-dranomainty, ary nataony teo ambanin’ny fehikibony ilay izy. (Ezk 9:2) Nisikina lamba gony teo amin’ny andilana ny olona nisaona.​—Ge 37:34; Am 8:10.

  • Fampiharihariana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Fampiharihariana an’i Jesosy Kristy. Hovalian-tsoa ny Kristianina tsy mivadika, fa hiharan’ny didim-pitsarana kosa ireo tsy tia an’Andriamanitra, rehefa “haharihary i Jesosy Kristy” sy ny “voninahiny”, izany hoe rehefa miharihary fa Mpanjaka be voninahitra manam-pahefana hamaly soa sy hanasazy izy. ‘Hiravoravo’ amin’izay ny Kristianina voahosotra izay efa niaritra fijaliana sy tsy nivadika. (1Pe 4:13) Hitondra fiderana sy voninahitra ary haja koa ny finoan’izy ireo vita sedra, ary hanehoana hatsaram-panahy tsy manam-paharoa izy ireo. (1Pe 1:7, 13) Haringana mandrakizay kosa ireo tsy mahalala an’Andriamanitra sy tsy mankatò ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Tompo, ka hafahana izay nampahorin’izy ireo.​—2Te 1:6-10.

  • Mahatsiaro Saina, Tsy Mamo
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Fantatry ny apostoly Petera koa fa kely sisa dia tsy ho eo intsony izy sy ny apostoly hafa. (2Pe 1:14) Izy ireo anefa no nisakana an’ilay fivadiham-pinoana avy tamin’ny Devoly. Nilaza tamin’ny Kristianina àry izy mba hifikitra amin’ny famonjena azy ireo amin’ny alalan’i Kristy, ka “hisaina tsara foana [a.b.t.: tsy ho mamo fa hahatsiaro saina tsara]” ary ‘hanantena ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa izay hoentina ho azy ireo rehefa haharihary i Jesosy Kristy.’ (1Pe 1:13) Fantatr’izy ireo fa manakaiky ny farany ary vao mainka hitombo ny fanenjehana, ka tokony hisaina tsara izy ireo, hiambina sy ho mailo ary tsy hanao tsirambina ny vavaka mba hahazoana hery hiaretana. (1Pe 4:7) Nampirisika azy ireo izy mba hisaina tsara foana, satria toy ny liona mierona mitady olona harapaka ny Devoly, ka tokony hanohitra mafy azy izy ireo. Tokony hahatsiaro saina tsara àry izy ireo fa tsy ho eo ambanin’ny herin’ny alkaola, ary tokony ho mato-tsaina sy hahafehy tena.​—1Pe 5:8, 9.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara