FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Kapadokia—Tanàna Misy Trano Namboarin’ny Rivotra sy ny Rano
    Ny Tilikambo Fiambenana—2004 | 15 Jolay
    • NIRESAKA momba an’i Kapadokia ny apostoly Petera. Anisan’ny nanoratany ny taratasiny voalohany avy tamin’ny fanahy masina ‘ny mpivahiny niely tany Kapadokia.’ (1 Petera 1:1) Toerana nanao ahoana moa i Kapadokia? Nahoana ny mponina tany no nipetraka tao anaty trano nolavahana teo amin’ny vato? Ahoana no nahafantaran’izy ireo ny fivavahana kristianina?

  • Kapadokia—Tanàna Misy Trano Namboarin’ny Rivotra sy ny Rano
    Ny Tilikambo Fiambenana—2004 | 15 Jolay
    • Nisy Jiosy nipetraka tany Kapadokia nanomboka tamin’ny taonjato faharoa Talohan’i Kristy. Ary nisy Jiosy avy tany koa tonga tao Jerosalema tamin’ny taona 33, mba hankalaza ny andro Pentekosta. Nitory tamin’ny Jiosy avy any Kapadokia àry ny apostoly Petera taorian’ny nilatsahan’ny fanahy masina. (Asan’ny Apostoly 2:1-9) Toa nandray tsara ny hafatra notorin’i Petera ny sasany ka nitondra ny finoany vaovao, rehefa nody. Izany no antony nanoratan’i Petera ny taratasiny voalohany ho an’ireo Kristianina tany Kapadokia.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara