-
LevitikosyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty misy azy io. Misy ampahany amin’ny Levitikosy ny sivy amin’ireo sora-tanana hita teo amoron’ny Ranomasina Maty. Tamin’ny teny hebreo tranainy fampiasa talohan’ny sesitany tany Babylona ny efatra, izay heverina fa natao tamin’ny taona 125 ka hatramin’ny 75 T.K.
-
-
FirenenaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Firenena vaovao antsoina hoe Israely ara-panahy. Ny Israely ara-nofo ihany no nifandraisan’i Jehovah Andriamanitra nandritra ny taonjato maro. Naniraka mpaminany imbetsaka izy mba hiverenan’izy ireo taminy. Naniraka an’i Jesosy Kristy Zanany mihitsy izy tamin’ny farany, nefa nanda azy io ny ankamaroan’ny Israelita. Hoy àry i Jesosy tamin’ny lehiben’ny mpisorona sy ny Fariseo tsy nino azy: “Hesorina aminareo ny fanjakan’Andriamanitra ka izay firenena mamokatra voa mendrika an’ilay fanjakana no homena azy.”—Mt 21:33-43.
Nanazava ny apostoly Petera fa io “firenena” io dia ny fitambaran’ireo olona nanaiky an’i Jesosy Kristy. (1Pe 2:4-10) Ny teny nolazaina tamin’ny Israely ara-nofo mihitsy no naveriny tamin’ireo Kristianina, raha ny marina. Hoy izy: “Ianareo kosa dia ‘firazanana voafidy, sady mpisorona no mpanjaka, firenena masina, olona nataon’Andriamanitra ho fananany manokana.’” (1Pe 2:9; ampit. Ek 19:5, 6.) Eken’ireo olona ireo fa Andriamanitra no Mpitondra, ary ny Zanany no Tompo sy Kristy. (As 2:34, 35; 5:32) Olom-pirenen’ny lanitra izy ireo (Fi 3:20), ary nasiana tombo-kase tamin’ny fanahy masina, izay antoka mialoha fa hahazo lova any an-danitra izy ireo. (2Ko 1:22; 5:5; Ef 1:13, 14) Ny fifaneken’ny Lalàna no nahatonga ny Israely ara-nofo ho lasa firenena, fa ny fifanekena vaovao kosa no nahatonga ny “firenena masina” ho lasa firenena. Kristianina nateraky ny fanahy daholo no anisan’io firenena io. (Ek 19:5; He 8:6-13) Izy io àry no tena mendrika hantsoina hoe “firenena masina.”
Rehefa nilatsaka tamin’ireo mpianatra 120 (Jiosy daholo) ny fanahin’Andriamanitra, tamin’ny Pentekosta taona 33, dia niharihary fa nifampiraharaha tamina firenena vaovao Andriamanitra. (As 1:4, 5, 15; 2:1-4; ampit. Ef 1:13, 14.) Nanomboka tamin’ny taona 36, dia nanjary anisan’ilay firenena vaovao ary nahazo ny fanahin’Andriamanitra koa ireo jentilisa na hafa firenena tsy mifora.—As 10:24-48; Ef 2:11-20.
-
-
MpisoronaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Olon-kafa nantsoina hoe “mpisorona.” Antsoina hoe ‘mpisorona’ i Mosesy (Sl 99:6) noho izy mpanelanelana sady voatendry hanamasina an’i Arona sy ny zanany lahy, tamin’izy ireo napetraka teo amin’ny toeran’ny mpisorona tao amin’ny toerana masina. Nitalaho ho an’ny Israely i Mosesy sady niantso ny anaran’i Jehovah. (No 14:13-20) Nantsoina hoe “mpisorona” koa indraindray ny “manamboninahitra” na ny “manam-pahefana ambony.” Hoy ny 2 Samoela 8:18 momba ny sasany tamin’ireo nitana andraikitra ambony tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka: “Ny zanakalahin’i Davida dia lasa mpisorona.”—Ampit. 2Sa 20:26; 1Mp 4:5; 1Ta 18:17.
Kristianina lasa mpisorona. Nampanantena i Jehovah fa “ho fanjaka-mpisorona sy ho firenena masina” ny Israely, raha manaja ny fifanekeny. (Ek 19:6) Hitsahatra anefa ny asa fisoronana nataon’ny taranak’i Arona, rehefa manomboka ilay asa fisoronana lehibe kokoa izay mifanitsy aminy (He 8:4, 5), ary mifarana ny fifaneken’ny Lalàna ka manomboka manan-kery ny fifanekena vaovao. (He 7:11-14; 8:6, 7, 13) Ny Israelita ihany aloha no nasaina ho lasa mpisoron’i Jehovah tao amin’ilay Fanjakana nampanantenainy. Nasaina koa anefa ny hafa firenena tatỳ aoriana.—As 10:34, 35; 15:14; Ro 10:21.
Vitsy ny Jiosy nanaiky an’i Kristy, ka tsy avy tamin’ilay firenena daholo ireo lasa anisan’ilay tena fanjaka-mpisorona sy firenena masina. (Ro 11:7, 20) Nivadika tamin’Andriamanitra ny Israely, ka efa hatry ny ela izy ireo no nampitandremany hoe: “Noho ianao nanda ny fahalalana, dia holaviko tsy ho mpisoroko intsony ianao. Ary noho ianao manadino foana ny lalàn’Andriamanitrao, dia hohadinoiko koa ny zanakao.” (Ho 4:6) Hoy koa i Jesosy tamin’ireo lohandohany teo amin’ny Jiosy: “Hesorina aminareo ny fanjakan’Andriamanitra ka izay firenena mamokatra voa mendrika an’ilay fanjakana no homena azy.” (Mt 21:43) Teo ambanin’ny Lalàna anefa i Jesosy Kristy tamin’izany. Nilaza tamin’ireo boka nositraniny àry izy mba hiseho tany amin’ny mpisorona sy hanolotra ny fanatitra notakin’ny Lalàna, satria fantany fa mbola tsy nifarana ny asa fisoronan’ny taranak’i Arona.—Mt 8:4; Mr 1:44; Lk 17:14.
Nifarana ny fifaneken’ny Lalàna tamin’ny Pentekosta taona 33, ary nanomboka nanan-kery ny “fifanekena tsara kokoa” na ny fifanekena vaovao. (He 8:6-9) Porofon’izany ny nandatsahan’Andriamanitra ny fanahiny masina. Nohazavain’ny apostoly Petera tamin’ireo Jiosy avy tamin’ny firenena samy hafa tamin’izay, fa tsy maintsy nibebaka sy nanaiky an’i Jesosy Kristy izy ireo raha te ho voavonjy. (As 2; He 2:1-4) Nilaza koa izy tatỳ aoriana fa i Jesosy no vato fehizoro nolavin’ny “mpanao trano” na ny Jiosy. Hoy izy tamin’ny Kristianina: “Ianareo kosa dia ‘firazanana voafidy, sady mpisorona no mpanjaka, firenena masina, olona nataon’Andriamanitra ho fananany manokana.’”—1Pe 2:7-9.
Nanazava i Petera fa “aorina ho trano ara-panahy” ireo Kristianina ireo “mba ho mpisorona masina, ka hanolotra sorona ara-panahy ankasitrahan’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.” (1Pe 2:5) Mpisorona lefitra toa an’ireo zanakalahin’i Arona izy ireo, ary i Jesosy Kristy no Mpisoronabeny. (He 3:1; 8:1) “Sady mpisorona no mpanjaka” hiara-mandova amin’i Kristy anefa izy ireo, fa tsy ho mpisorona fotsiny toy ny taranak’i Arona. Nilaza ny apostoly Jaona fa ‘nafahana tamin’ny fahotany’ ireo mpianatr’i Jesosy Kristy “tamin’ny alalan’ny rany”, ka nataony “ho fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitra Rainy.”—Ap 1:5, 6.
-