-
Ankasitraho Izay Nataon’i Jehovah sy Jesosy ho AnaoAnkafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
-
-
3. Asehoy hoe mahay mankasitraka ianao
Eritrereto hoe saika maty an-drano ianao nefa nisy nanavotra. Hohadinoinao fotsiny ve ilay olona nanavotra anao, sa hitady fomba hisaorana azy ianao?
Tsy ho voavonjy koa isika raha tsy nanao zavatra i Jehovah. Vakio ny 1 Jaona 4:8-10, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:
Nahoana no fanomezana miavaka ny sorona nataon’i Jesosy?
Inona no tsapanao rehefa mieritreritra ny zavatra nataon’i Jehovah sy Jesosy ho anao ianao?
Ahoana no hampisehoantsika hoe mankasitraka ny zavatra nataon’i Jehovah sy Jesosy ho antsika isika? Vakio ny 2 Korintianina 5:15 sy ny 1 Jaona 4:11; 5:3. Isaky ny avy mamaky andinin-teny iray, dia iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Araka io andinin-teny io, ahoana no hampisehoantsika hoe mahay mankasitraka isika?
-
-
Nahoana Ianao no Tokony Hanokan-tena sy Hatao Batisa?Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
-
-
1. Inona no mandrisika ny olona iray hanokan-tena?
Fitiavana no mahatonga antsika hanokan-tena ho an’i Jehovah. (1 Jaona 4:10, 19) Mampirisika antsika ny Baiboly hoe: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo sy ny sainao manontolo ary ny herinao manontolo.” (Marka 12:30) Tsy milaza fotsiny isika hoe tia an’Andriamanitra, fa asehontsika amin’ny zavatra ataontsika koa izany. Rehefa tena mifankatia ny olona roa dia manapa-kevitra ny hivady izy ireo. Rehefa tia an’i Jehovah koa isika dia lasa te hanokan-tena ho azy sy hatao batisa.
-