FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Mandehana hatrany ao amin’ny fahazavan’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana—1986 | 15 Oktobra
    • 8, 9. a) Mifototra amin’inona moa no amelan’i Jehovah ny helotsika? b) Inona no nolazain’ny mpivadi-pinoana sasany ny amin’ny fahotana, ary nahoana izy ireny no tao anatin’ny fahadisoan-kevitra?

      8 Manaraka izany, dia lazalazain’i Jaona ny fototra izay mahatonga ho afaka hanadio amin’ny fahotana (vakio I Jaona 1:8 ka hatramin’ny 2:2). Raha milaza isika hoe: “Tsy manana ota isika”, dia lavintsika ny hoe mpanota daholo ny olona tsy tanteraka rehetra, ary “ny marina tsy ato anatintsika”. (Romana 5:12.) “Mahatoky” anefa Andriamanitra ary mamela ny helotsika izy “raha miaiky [aminy] ny fahotantsika isika” ka manaraka fihetsika mibebaka izay manosika antsika hiala amin’ny ratsy (Ohabolana 28:13). Ny amin’ireo izay voaray ao anatin’ny fanekena vaovao, dia hoy Andriamanitra: “Tsy hotsarovako intsony ny fahotany.” (Jeremia 31:31-34; Hebreo 8:7-12). Tamin’ny famelana ny helok’izy ireo, dia niseho ho tsy nivadika tamin’io fampanantenana io izy.

  • Mandehana hatrany ao amin’ny fahazavan’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana—1986 | 15 Oktobra
    • 10. Tamin’ny heviny ahoana moa i Jesosy no “sorom-panavotana”?

      10 Nosoratan’i Jaona “izany zavatra izany” mahakasika ny fahotana, ny famelan-keloka sy ny fanadiovana mba tsy hizarantsika hanota. Ny teniny dia tokony hanosika antsika hanao fiezahana mafy mba tsy hanota (I Korintiana 15:34). Raha “manota” anefa isika ary raha mibebaka, dia manana “Solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina” izay miaro antsika eo anatrehan’Andriamanitra (Hebreo 7:26; jereo Jaona 17:9, 15, 20). Jesosy dia “avotra”. Manatanteraka ny rariny ny fahafatesany ary manome ho an’Andriamanitra fahafahana haneho ny famindrampony sy hanaisotra ny enta-mavesatra, dia ny fahotana eo amin’ireo Isiraelita ara-panahy, nefa koa ny ‘fahotan’izao tontolo izao’, anisan’izany ny “olona betsaka”. (Romana 6:23; Galatiana 6:16; Apokalypsy 7:4-14.) Lehibe ny fankasitrahantsika noho io sorona io.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara