-
AntikristyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Efa nahare momba ny antikristy ny Kristianina nanoratan’i Jaona (t. 98). Hoy mantsy izy: “Izao, anaka, no ora farany. Araka ny efa renareo, dia ho avy ny antikristy [gr.: antikristôs]. Ary efa misy antikristy maro sahady izao. Izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany.” (1Jn 2:18) Nilaza i Jaona fa misy antikristy maro, nefa izy rehetra mitambatra koa no azo antsoina hoe ‘ilay antikristy.’ (2Jn 7) Fotoana fohy na lavalava ilay hoe “ora”, izay nadika koa hoe “fotoana” ao amin’ny boky hafa nosoratan’i Jaona. (Jereo Jn 2:4; 4:21-23; 5:25, 28; 7:30; 8:20; 12:23, 27.) Tsy amin’ny hoavy ihany àry vao hisy antikristy, fa efa nisy izy ireny tamin’ny androny.—1Jn 4:3.
-
-
AntikristyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Nilaza i Jaona fa antikristy ny mpivadi-pinoana izay “niala tamintsika”, izany hoe niala tamin’ny fiangonana kristianina. (1Jn 2:18, 19) Antikristy koa àry “ilay lehilahy mpandika lalàna” na “zanaky ny fandringanana” noresahin’i Paoly, sy ireo “mpampianatra sandoka” nolazain’i Petera fa mamorona sekta mampidi-doza sy ‘mandà an’ilay tompo nividy azy ireo.’—2Te 2:3-5; 2Pe 2:1; jereo LEHILAHY MPANDIKA LALÀNA.
-
-
Ora, IIFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Heviny an’ohatra. Ilazana fotoana fohy ny hoe “ora.” Hoy i Jesosy tamin’ilay vahoaka efa hisambotra azy: “Izao no fotoananareo [gr.: hôra] sy ny fahefan’ny haizina.” (Lk 22:53) Mpanjaka folo hahazo fahefana hanjaka “adiny iray” miaraka amin’ilay bibidia ny tandroka folon’ny bibidia mena midorehitra. (Ap 17:12) ‘Ao anatin’ny adiny iray monja’ koa ‘no hampiharana ny fanamelohana’ an’i Babylona Lehibe. (Ap 18:10) Hoy i Jaona, ilay apostoly velona farany: “Izao, anaka, no ora farany. Araka ny efa renareo, dia ho avy ny antikristy. Ary efa misy antikristy maro sahady izao. Izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany.” Izany dia mifanaraka amin’ny tenin’i Jesosy momba ny vary sy ny tsimparifary (Mt 13:25, 38), sy ny fampitandreman’i Paoly momba ny fivadiham-pinoana (As 20:29; 2Te 2:3, 7), ary ny tenin’i Petera momba ny mpampianatra sandoka (2Pe 2:1-3). Tena fohy ilay “ora farany”, na fotoana nisian’ny apostoly farany. Niroborobo avy eo ny fivadiham-pinoana.—1Jn 2:18.
-