FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Mandehana hatrany ao amin’ny fahazavan’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana—1986 | 15 Oktobra
    • 24. Iza moa no nahazo “hosotra” tamin’ny alalan’ny fanahy masina, ary nahoana ireny kristiana ireny no tsy ‘mila olona hampianatra azy’?

      24 Mba handehanana ao amin’ny fahazavan’Andriamanitra ka tsy hanekena ho voavilin’ny mpivadi-pinoana, dia ilaintsika ny fahaizana ara-panahy tsara (vakio I Jaona 2:26-29). Ireo kristiana nateraky ny fanahy dia manana “hosotra” amin’ny alalan’ny fanahy masina; nianatra ny hahafantatra an’Andriamanitra sy ny Zanany izy ireo ary “tsy mila hampianarin’olona [mpivadi-pinoana]”. Amin’ny alalan’ny fanahiny izay nanosotra azy ireo, Andriamanitra dia “mampianatra” ny Isiraelita ara-panahy “ny zavatra rehetra” ilaina mba hanompoana azy amin’ny fomba azo ekena (Jaona 4:23, 24; 6:45). Faly isika satria amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah antsika dia mahazo fampianarana ara-panahy avy amin’Andriamanitra toy izany amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina”. — Matio 24:45-47.

  • Mandehana hatrany ao amin’ny fahazavan’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana—1986 | 15 Oktobra
    • 26 Koa satria isika ankehitriny miaina ao anatin’ny ‘fanatrehan’i Jesosy’, ahoana no mety hahazoantsika antoka fa tsy ho menatra mihitsy ka tena handeha ao amin’ny fahazavan’Andriamanitra? Amin’ny ‘fanaovana ny marina’. ‘Raha fantatsika fa marina Andriamanitra, hoy ny fanazavan’i Jaona, dia fantatsika fa izay rehetra manao ny marina no zanany naterany.’ Ny hoe ‘manao ny marina’ dia ny mankatò ireo didin’Andriamanitra, manary ny tsy fahamarinana ary mandray anjara amin’ny asa tsara dia tsara, ohatra, manao mpianatra sy manampy ireo mpino hafa (Marka 13:10; Filipiana 4:14-19; I Timoty 6:17, 18). Ny dikan’ny hoe ‘naterak’Andriamanitra’ dia hoe ‘nateraka indray’ amin’ny maha-zanak’Andriamanitra ara-panahy. — Jaona 3:3-8.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara