-
BalamaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Tsy nankasitrahan’Andriamanitra mihitsy ny hanozonana ny Israely, ka naverimberiny tamin’i Balama fa tokony hitso-drano azy ireo izy, fa tsy hanozona azy. (Js 24:9, 10) Navelany handeha ihany anefa izy. Toy izany no nataon’i Jehovah tamin’i Kaina. Efa nilazany izy fa tsy mety ny nataony, kanefa navelany hisafidy koa izy, na hiova na hikiry hanao ratsy. (Ge 4:6-8) Mafy loha toa an’i Kaina anefa i Balama, ka tsy niraharaha izay sitrapon’i Jehovah. Tsy nieritreritra afa-tsy izay tombony ho azony izy. Nohajambain’ny fitiavan-karena izy, ka tsy tsapany hoe tsy mety ny nataony. Nilaza i Joda mpianatr’i Jesosy fa ‘niolomay hanaraka lalan-diso i Balama mba hahazoana karama.’ Hoy koa ny apostoly Petera: “Tia karama azo tamin’ny fanaovan-dratsy ... i Balama [zanak’i Beora]. Nanarina anefa izy satria tsy nanao izay mahitsy. Niezaka nisakana ny hadalan’ilay mpaminany ny ampondravavy moana, izay niteny toy ny olona.”—Jd 11; 2Pe 2:15, 16.
-
-
KainaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Tsy resahin’ny Baiboly ny fomba nampisehoan’Andriamanitra hoe nankasitrahany ny fanatitra iray fa tsy nankasitrahany kosa ny iray. Azo inoana anefa fa tsy niafina tamin’i Kaina sy Abela izany. Afaka mamantatra ny ao am-po i Jehovah (1Sa 16:7; Sl 139:1-6), ka fantany fa ratsy ny tao am-pon’i Kaina. Niharihary izany toe-pony izany rehefa nolavin’Andriamanitra ny sorona nataony. Nanomboka nisongadina teo amin’ny toetran’i Kaina “ny asan’ny nofo”, dia ny “fifandrafiana, fifamaliana, fialonana, fipoahan’ny fahatezerana.” (Ga 5:19, 20) Sosotra i Kaina, nefa nilaza taminy i Jehovah fa hisandratra izy raha miova ka manao ny tsara. Azony natao ny nanetry tena ka nanahaka an’ilay rahalahiny nankasitrahan’Andriamanitra. Nanoro hevitra azy Andriamanitra mba hifehy ny fanirian-dratsy izay efa namitsaka teo am-baravarana ka nitady hangeja azy. Tsy niraharaha izany torohevitra izany anefa i Kaina. (Ge 4:6, 7; ampit. Jk 1:14, 15.) Izany tsy fanajana izany no atao hoe “lalan’i Kaina.”—Jd 11.
-