FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Tsaraina Ilay Mpivaro-tena Maharikoriko
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
    • 25. a) Inona no ao anatin’ilay “kaopy volamena feno zava-maharikoriko”? b) Nahoana no lazaina fa mamo ilay mpivaro-tena an’ohatra?

      25 Jereo indray ny eny an-tanan’ilay mpivaro-tena. Azo antoka fa ankona i Jaona nahita ilay kaopy volamena “feno zava-maharikoriko sy zava-maloton’ny fijangajangany”! Ao anatin’izy io “ny divain’ny fahatezeran’ny fijangajangany”, izay nampisotroiny an’ireo firenena. (Apokalypsy 14:8; 17:4) Toa lafo vidy erỳ ilay kaopy, nefa maharikoriko sy maloto ny ao anatiny. (Ampitahao amin’ny Matio 23:25, 26.) Hita ao ny fanao maloto sy ny lainga rehetra nampiasain’ilay mpivaro-tena lehibe, mba hanangolena an’ireo firenena sy hitaomana azy hanao izay tiany. Vao mainka naharikoriko an’i Jaona ny nahita an’ilay mpivaro-tena mamon’ny ran’ny mpanompon’Andriamanitra! Voalaza tokoa tatỳ aoriana fa “tao aminy no nahitana ny ran’ny mpaminany sy ny olona masina sy izay rehetra naripaka teny ambonin’ny tany.” (Apokalypsy 18:24) Trosan-dra re izany!

      26. Porofoy fa manana trosan-dra i Babylona Lehibe.

      26 Namono olona be dia be ny fivavahan-diso nandritra ny taonjato maro. Navadika ho tanàna mimanda, ohatra, ny tempoly tany Kyoto any Japon, taonjato maro lasa izay. Nifamono toy ny miaramila ireo moanina mpiady, izay niantso “ny anarana masin’i Bouddha”, mandra-pandriakan’ny ra hatraiza hatraiza. Nandritra ny taonjato faha-20 indray, dia niaraka tamin’ireo tafiky ny fireneny avy ny mpitondra fivavahan’ny Kristianisma Anarana, ka dimy tapitrisa, fara fahakeliny, ny aina nafoy rehefa nifamono ireo miaramila. Hoy i Nixon, filoha amerikanina taloha, tamin’ny Oktobra 1987: “Ny taonjato faha-20 no nahitana fandatsahan-dra be indrindra teo amin’ny tantara. Be kokoa noho ireo maty tamin’ny ady rehetra nisy talohan’ny nanombohan’ity taonjato ity, ny maty tamin’ny ady nandritra ity taonjato ity.” Melohin’Andriamanitra àry ny fivavahan’ity tontolo ity noho izany rehetra izany. Halany mantsy “ny tànana mandatsa-dra marina.” (Ohabolana 6:16, 17) Nahare antso avy teo amin’ny alitara i Jaona teo aloha hoe: “Ry Tompo Fara Tampony, izay masina sy marina ô, mandra-pahoviana ianao no mbola tsy hitsara ka tsy hamaly ny ranay amin’izay monina eny ambonin’ny tany?” (Apokalypsy 6:10) Tsy ho afa-miala i Babylona Lehibe, renin’ny mpivaro-tena sy ny zava-maharikoriko amin’ny tany, rehefa tonga ny fotoana hamaliana io fanontaniana io.

  • Voazava ny Zava-miafina Mahatalanjona
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
    • 1. a) Nanao ahoana ny fihetsik’i Jaona rehefa nahita an’ilay mpivaro-tena lehibe sy ilay bibidia mampahatahotra nitaingenany? Nahoana? b) Manao ahoana ny fihetsik’ireo voahosotra ankehitriny rehefa mahita an’ilay faminaniana tanteraka?

      NANAO ahoana ny fihetsik’i Jaona rehefa nahita an’ilay mpivaro-tena lehibe sy ilay bibidia mampahatahotra nitaingenany? Hoy izy: “Ary gaga be aho raha vantany vao nahita azy.” (Apokalypsy 17:6b) Tsy hisy olona ho afaka hamorona fahitana toy izany mihitsy! Nefa io tokoa fa misy mpivaro-tena maharikoriko, mitaingina bibidia mahatsiravina sy mena midorehitra, any an-tany efitra! (Apokalypsy 17:3) Gaga be koa ireo voahosotra toa an’i Jaona rehefa mahita ny fahatanterahan’ilay fahitana. Raha afaka mahita izany ny olona eo amin’ity tontolo ity dia ho nilaza hoe: ‘Sarotra inoana!’ ary ho nanamafy ireo mpitondra hoe: ‘Tsy mampino!’ Tanteraka ankehitriny anefa ilay fahitana mahavariana. Tanteraka tamin’ny vahoakan’Andriamanitra ny ampahany tamin’ilay faminaniana, ka azony antoka fa ho tanteraka hatramin’ny farany izany.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara