-
Fizarana 7: Ny farany indrindra amin’ireo herim-panjakanaNy Tilikambo Fiambenana—1988 | 15 Aogositra
-
-
Fony nosoratana ny bokin’ny Apokalypsy, taonjato sivy ambin’ny folo lasa teo ho eo izay, dia azo natao ny namaky tao fa “mpanjaka”, na herim-panjakana dimy, no efa nifandimby: Egypta, Asyria, Babylona, ny Empira mediana sy persiana ary Grisia. ‘Teo’ ny fahenina, dia Roma; mbola tsy tonga kosa anefa ny fahafito (Apokalypsy 17:10). Iza moa io Herim-panjakana Fahafito io? Ahoana no nahaterahany? Inona no hitranga ao aoriany? Mamaly ireo fanontaniana lehibe ireo ny lahatsoratra asehontsika izao.
-
-
Fizarana 7: Ny farany indrindra amin’ireo herim-panjakanaNy Tilikambo Fiambenana—1988 | 15 Aogositra
-
-
Ny nosy iray, tany amin’ny farany avaratra andrefana amin’ny Empira romana, dia nihataka nandritra ny ela be tamin’ny raharahan’izao tontolo izao. Izao no nambaran’ny mpanoratra tantara iray ny amin’izany: “Tsy fanjakana lehibe i Angletera tamin’ny taonjato faha-16. Kely kokoa noho ny an’i Hollande ny hareny; vitsy lavitra noho ny an’i Frantsa ny mponina ao aminy; ary tsy mahatahotra kokoa noho ny an’i Espaina ny herin’ny tafiny, anisan’izany ny tafika an-dranomasina.” Nampitombo ny fitambaran-tsambony nandroba ireo zanatanin’i Espaina mbamin’ny harena be notaterin’ny sambony goavana ireo jiolahin-tsambony.
Ny tandroka telo
Tamin’ny 1588, Philippe II tany Espaina dia namaly ireo fanafihana tsy ankijanona nataon’i Angletera tamin’ny fandefasana hamely azy, ny “Armada tsy azo resena”. Io tafika an-dranomasina io, voaforon’ny sambo 130 ary nisy lehilahy 24000 mahery, dia nizotra moramora nanatona an’i Manche. Ho simba tao amin’ny rivotra nifamaly sy ny tafiodrivotra nahatsiravina tany Atlantika izany. Nanoratra ilay mpanao tantara atao hoe Carlton Hayes fa izany fisehoan-javatra izany dia “nanamarika tamin’ny fomba raikitra ny fifindran’ny fahamboniana amin’ny tafika an-dranomasina, avy eo amin’i Espaina mankeo amin’i Angletera”. — Modern Europe to 1870.
Tamin’ny taonjato faha-17 i Hollande dia nanana ny fitaterana an-dranomasina amin’ny varotra lehibe indrindra teto amin’izao tontolo izao. Nanapaka tao amin’ireo ranomasina ny sambony. Nifampivarotra tamin’ny tany lavitra izy. Kanefa, noho ireo zanataniny nihamaro, dia handresy i Angletera amin’io lafiny io koa.
Tamin’ny taonjato faha-18, dia nifanandrina tany amin’ny faritany lavitra toa an’i Amerika Avaratra sy India ry Angletera sy Frantsa. Hiteraka ny fanekem-pihavanana tany Paris, nosoniavina tamin’ny 1763, izany. Araka ny nosoratan’i William Willcox tao amin’ny Ny kintan’ny Empira: fandinihana ny amin’ny herim-panjakana iray: Grande-Bretagne (anglisy), na dia toa fifanarahana aza io fanekem-pihavanana io, “raha ny marina, dia nekeny hatreo ny hananan’i Grande-Bretagne toeran’ny fanjakana eoropeana nahery teo amin’izao tontolo izao nanjana-tany”.
Nisy mpanoratra tantara hafa nanao famakafakana toy izany koa: “Rehefa taonjato roa no niadiany tamin’i Espaina sy Hollande ary Frantsa, dia hita ho ny fanjakana lehibe indrindra tamin’ny varotra sy ny fanjanahan-tany teto amin’izao tontolo izao i Grande-Bretagne tamin’ny 1763.” (Modern Europe to 1870). “Tamin’ny 1763, ny Empira britanika dia nanomboka nitaingina izao tontolo izao, toy ny Empira romana vaovao, saingy mitatra kokoa.” “Nivoaka avy ao amin’ireo ady teo antenatenan’ny taonjato izy [Grande-Bretagne], nanana ny empira nidadasika indrindra sy nahery indrindra — sady nankahalaina indrindra — teto amin’izao tontolo izao.” (Tafika an-dranomasina sy empira, angl., nataon’i James Stokesbury). Eny, nitombo ny ‘tandroka kely’. Tonga ny Herim-panjakana Fahafito teo amin’ny tantaran’ny Baiboly izy io.
-
-
Fizarana 7: Ny farany indrindra amin’ireo herim-panjakanaNy Tilikambo Fiambenana—1988 | 15 Aogositra
-
-
Nahazo ny fahaleovan-tenany ny ankamaroan’ny zanatany britanika ka anisan’ny Commonwealth amin’izao andro izao. Tsy misy intsony angamba ny Empira, fa mbola mitoetra ihany ny Herim-panjakana anglisy amerikana. “Kelikely” anefa sisa ny androny, rehefa eritreretina ireo taonjato nampiharan’ny herim-panjakana teo alohany, dia Roma, ny fanapahany. — Apokalypsy 17:10.
-