-
Apokalypsy, Bokin’nyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Ny nampanoratra azy. I Jehovah Andriamanitra ilay Mahery Indrindra no nampanoratra an’ilay boky, fa i Jesosy Kristy no nasainy nampita ny teniny. I Jesosy indray naniraka ny anjeliny hampita ilay izy tamin’i Jaona. (Ap 1:1) Niasa tamin’ny fomba feno koa tamin’izay ny fanahin’Andriamanitra, matoa nantsoina hoe “fanahy fito.” Nasain’i Jehovah nanoratra i Jaona avy eo.—1:4, 11.
-
-
FanahyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Resahin’ny Apokalypsy 1:4 fa eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra ny “fanahy fito.” Misy hafatra “lazain’ny fanahy amin’ny fiangonana” fito ka tokony ‘hohenoina.’ (Ap 2:7, 11, 17, 29; 3:6, 13, 22) Mirakitra fanamelohana mampisaintsaina sy fampanantenana valisoa ho an’izay tsy mivadika ireo hafatra ireo. Manana an’ireo “fanahy fiton’Andriamanitra” ny Zanak’Andriamanitra (Ap 3:1), ary ireo fanahy ireo no “jiro fito” (Ap 4:5) na maso fiton’ilay zanak’ondry efa novonoina ho faty. “Tsy inona ireo maso ireo fa ny fanahy fiton’Andriamanitra irahina maneran-tany.” (Ap 5:6) Isa feno ny isa fito, ao amin’ny faminaniana hafa. (Jereo ISA.) Midika izany fa mahay mandinika sy manavaka tanteraka i Jesosy Kristy nomem-boninahitra, ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra, ka afaka manara-maso ny tany manontolo.
-
-
Ireo Fiangonana Resahin’ny ApokalypsyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Ireo Fiangonana Resahin’ny Apokalypsy
SARITANY: Ireo Fiangonana Resahin’ny Apokalypsy
NIKARAKARA tsara ny mpianany voahosotra mbola teto an-tany i Jesosy Kristy, tamin’ny faramparan’ny taonjato voalohany, taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty. Nasainy nanoratra taratasy ho an’ny “fiangonana fito any amin’ny faritr’i Azia” mantsy ny apostoly Jaona, izay efa zokiolona. (Ap 1:1-4) Tena nilaina ireny taratasy ireny satria nampahery sy nanoro hevitra ary nampitandrina.
Tanàna efa rava sisa no eo amin’ny ankamaroan’ny toerana nisy an’ireny fiangonana ireny. Ireo anefa no porofo fa tena nisy ireny toerana ireny sy ireo olona ary zavatra noresahin’i Jaona. Ny tena mahaliana kokoa aza, dia hoe mbola hitranga eo anivon’ny fiangonana kristianina atỳ aoriana ny zavatra noraketin’ireny hafatra ireny.
Tanàna ravan’i Efesosy. Namela ny fitiavany an’i Jehovah ho lefy ny Kristianina sasany tao amin’io tanàna nanan-karena io
Alitaran’i Zeosy tao Pergamosy, izay naorina indray. Noho izy io, dia nenjehina ireo Kristianina tao, izay tsy nivavaka afa-tsy tamin’i Jehovah
Smyrna (Izmir ankehitriny). Natao am-ponja ny Kristianina tao, tamin’ny taonjato voalohany, nefa nampirisihina mba tsy hatahotra. Efa nanam-paharetana koa ireo Kristianina tany Filadelfia nefa nampirisihina hihazona mafy an’izay efa nananany. Teo am-piandohan’ilay lohasaha lavalava miankandrefana mankany Smyrna no nisy an’i Filadelfia
Tyatira (Akhisar ankehitriny). Nanao hadalana ny Kristianina sasany tao, tamin’ny taonjato voalohany, satria naloto fitondran-tena, nefa mba efa nanao asa tsara ihany
Sardisy. Tsy ny Kristianina rehetra tao no tena nazoto tamin’ny fanompoana an’i Jehovah
Laodikia. Nanarina ny Kristianina tao satria matimaty, toy ilay rano notarihin’ny lakandrano nankao amin’io tanàna io ihany
-