FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Batisa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Lasa fananan’Andriamanitra na mpanompony ampiasainy amin’izay tiany koa ny Kristianina vita batisa. (1Ko 6:20) Milaza, ohatra, ny Apokalypsy fa voafetra ho 144 000 ny isan’ireo olona “voaisy tombo-kase” farany. (Ap 7:4-8) Alohan’izay anefa dia omen’Andriamanitra ny fanahy masina izy ireo ho tombo-kase, izay ‘antoka mialoha ny amin’ny lovan’izy ireo’ any an-danitra. (Ef 1:13, 14; 2Ko 5:1-5) Hoy ny Baiboly momba azy ireo: “Napetrak’Andriamanitra ao amin’ny [vatan’i Kristy] ny rantsany tsirairay, araka izay tiany.”​—1Ko 12:18, 27.

  • Israelin’Andriamanitra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Maromaro ny antony ilazana fa io Israely ara-panahy io ireo foko 12 atao lisitra ao amin’ny Apokalypsy toko faha-7. Voalohany, tsy mitovy amin’ny lisitry ny Israely ara-nofo ao amin’ny Nomery toko 1, io lisitra io. Faharoa, efa ela be talohan’ny nahazoan’i Jaona an’ilay fahitana tamin’ny taona 96 ny tempolin’i Jerosalema no rava tanteraka. Tsy nisy mpisorona intsony koa, sady efa potika ny tetirazan’ireo fokon’ny Israely. Fahatelo, misy ifandraisany amin’izay nitranga tamin’ny Pentekosta taona 33 sy taorian’izay ny fahitana azon’i Jaona. Hitan’i Jaona tao amin’ilay fahitana fa 144 000 ireo anisan’ny Israely ara-panahy “novidina avy teo amin’ny olombelona”, ary mitsangana eo amin’ny Tendrombohitra Ziona any an-danitra miaraka amin’ny Zanak’ondry (izay nolavin’ny Israely ara-nofo) izy ireo.​—Ap 7:4; 14:1, 4.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara