FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Inona Ilay Bibidia Manana Loha Fito ao Amin’ny Apokalypsy Toko Faha-13?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
    • Bibidia manana loha fito sy tandroka folo, miakatra avy any an-dranomasina. Toy ny leopara ny paoziny, toy ny an’ny orsa ny tongony, toy ny an’ny liona ny vavany, ary misy diadema folo eo amin’ny tandrony.

      Inona Ilay Bibidia Manana Loha Fito ao Amin’ny Apokalypsy Toko Faha-13?

      Valiny ara-baiboly

      Ilay bibidia resahin’ny Apokalypsy 13:1 dia ireo fitondrana ara-politika rehetra eran-tany.

  • Inona Ilay Bibidia Manana Loha Fito ao Amin’ny Apokalypsy Toko Faha-13?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
      • Miakatra ‘avy ao amin’ny ranomasina’, izany hoe avy amin’ireo vahoaka tia mikorontana, ilay bibidia. Avy amin’ireny vahoaka ireny mantsy ny fitondram-panjakana.—Apokalypsy 13:1; Isaia 17:12, 13.

  • Inona Ilay Bibidia Manana Loha Fito ao Amin’ny Apokalypsy Toko Faha-13?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
    • “Tandroka folo sy loha fito”

      Misy heviny an’ohatra ny isa sasany ao amin’ny Baiboly. Manondro zavatra feno tsara, ohatra, ny folo sy fito. Manondro inona àry ilay “tandroka folo sy loha fito” amin’ilay bibidia resahin’ny Apokalypsy toko faha-13? Manampy antsika hahalala an’izany izay voaresaka momba ny “sarin’ny bibidia”, izay tsy inona fa bibidia iray mena midorehitra manana loha fito sy tandroka folo. (Apokalypsy 13:1, 14, 15; 17:3) Milaza ny Baiboly fa “mpanjaka fito”, na fitondram-panjakana fito, ny loha fiton’io bibidia mena midorehitra io.—Apokalypsy 17:9, 10.

      Manondro fitondram-panjakana fito àry ny loha fiton’ilay bibidia resahin’ny Apokalypsy 13:1. Izy ireo no firenena matanjaka indrindra eo amin’ny tantara, sady tena mampijaly ny vahoakan’Andriamanitra. Tsy iza izany fa i Ejipta, Asyria, Babylona, Media-Persa, Gresy, Roma, ary ny Firenena Anglisy-Amerikanina. Ireo tandroka folo koa dia manondro ny fitondram-panjakana rehetra eran-tany, na kely izany na lehibe. Ny fisian’ireo diadema eo ambonin’ireo tandroka folo àry, dia midika fa misy firenena hafa mitondra foana amin’ny fotoana itondran’ny tsirairay amin’ireo firenena matanjaka indrindra.

  • Inona no Dikan’ilay Marika hoe 666?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
    • Asehon’ny boky farany ao amin’ny Baiboly fa marika na anarana iantsoana an’ilay bibidia manana loha fito sy tandroka folo, izay niakatra avy any an-dranomasina, ilay hoe 666. (Apokalypsy 13:1, 17, 18) Io bibidia io no famantarana ny fitondrana ara-politika eran-tany, izay manana fahefana amin’ny “foko sy vahoaka sy olona samy hafa fiteny ary firenena rehetra.” (Apokalypsy 13:7) Hita avy amin’ilay anarana hoe 666 fa tsy mahomby eo anatrehan’Andriamanitra ny fitondrana ara-politika. Nahoana?

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara