-
Biby An’ohatraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Ilay bibidia nanana loha fito niakatra avy tao amin’ny ranomasina. Nahita bibidia nanana loha fito sy tandroka folo niakatra avy tao amin’ny ranomasina ny apostoly Jaona. Toy ny leopara izy io, nefa toy ny an’ny orsa ny tongony ary toy ny vavan’ny liona ny vavany. (Ap 13) Samy nakany kely àry ny bikabikan’ireo biby efatra hitan’i Daniela. Nanome fahefana sy hery an’io bibidia io ilay dragona, na i Satana Devoly. (Ap 12:9; 13:1, 2) Nanana loha fito (sy tandroka folo) izy io, fa iray avy kosa ny lohan’ireo biby hitan’i Daniela. Isa feno ny isa fito (sy folo) ao amin’ny Baiboly. (Jereo ISA.) Tsy firenena iray na maromaro mantsy no fehezin’io bibidia io, fa “foko sy vahoaka sy olona samy hafa fiteny ary firenena rehetra.” (Ap 13:7, 8; ampit. 16:13, 14.) Hoy Ny Diksionera Ara-baibolin’ireo Mpanazava Teny: “Samy ananan’io bibidia io avokoa ny toetoetran’ireo biby efatra hitan’i Daniela ... Ny fanjakana rehetra manohitra an’Andriamanitra eto amin’izao tontolo izao àry io bibidia voalohany [ao amin’ny Ap 13] io.”—Nataon’i G. Buttrick, 1962, Boky 1, p. 369.
-