FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Orsa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Tsy marina ilay hoe fihinin’ny orsa mafy be izay tiany hovonoina. Matanjaka sy mafonja kosa ny tanabeny sady misy hoho tsy afa-miforitra, ka atsatony amin’ny vatan’izay mifanandrina aminy rehefa mikapoka izy. Kapoka iray monja dia mety hahafaty biby iray, toy ny serfa. Tsy mahagaga àry raha milaza an-kolaka ny Baiboly fa lozabe toy ny liona ny orsa. (Am 5:19; Ft 3:10) Mampidi-doza kokoa noho ny liona sy tigra ary ny toy ireny aza ny orsa, hoy ny mpandinika zavaboary. Tsy manafika anefa izy matetika fa mitsoaka olona, toy ny biby hafa ihany, raha tsy hoe tafihina na taitra tampoka angaha.

  • Orsa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Oharina amin’ny biby mampahatahotra ny firenena matanjaka, ao amin’ny fahitan’i Daniela. Toy ny orsa, ohatra, ny Fanjakana Medianina-Persianina izay te handresy firenena maro sy handroba azy ireny. (Da 7:5, 17) Mpiremby koa ilay bibidia tao amin’ny fahitan’i Jaona. Niakatra avy tao amin’ny ranomasina izy io, nanana loha fito sy tandroka folo, ary “tahaka ny an’ny orsa” ny tongony. (Ap 13:2) Rehefa hanjaka ny Mesia dia hiara-misakafo amin’ny ombivavy ny orsa, izany hoe hiadana ny vahoakan’i Jehovah.​—Is 11:7.

  • Biby An’ohatra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Ilay bibidia nanana loha fito niakatra avy tao amin’ny ranomasina. Nahita bibidia nanana loha fito sy tandroka folo niakatra avy tao amin’ny ranomasina ny apostoly Jaona. Toy ny leopara izy io, nefa toy ny an’ny orsa ny tongony ary toy ny vavan’ny liona ny vavany. (Ap 13) Samy nakany kely àry ny bikabikan’ireo biby efatra hitan’i Daniela. Nanome fahefana sy hery an’io bibidia io ilay dragona, na i Satana Devoly. (Ap 12:9; 13:1, 2) Nanana loha fito (sy tandroka folo) izy io, fa iray avy kosa ny lohan’ireo biby hitan’i Daniela. Isa feno ny isa fito (sy folo) ao amin’ny Baiboly. (Jereo ISA.) Tsy firenena iray na maromaro mantsy no fehezin’io bibidia io, fa “foko sy vahoaka sy olona samy hafa fiteny ary firenena rehetra.” (Ap 13:7, 8; ampit. 16:13, 14.) Hoy Ny Diksionera Ara-baibolin’ireo Mpanazava Teny: “Samy ananan’io bibidia io avokoa ny toetoetran’ireo biby efatra hitan’i Daniela ... Ny fanjakana rehetra manohitra an’Andriamanitra eto amin’izao tontolo izao àry io bibidia voalohany [ao amin’ny Ap 13] io.”​—Nataon’i G. Buttrick, 1962, Boky 1, p. 369.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara