FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Miady Amin’ny Biby Masiaka Roa
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
    • 2 Tsy afaka mampahory ny an-danitra intsony i Satana sy ny demoniany, satria efa noroahina avy tany izy ireo, ary tsy afa-miala etỳ amin’ny manodidina ny tany. Izany no mampitombo be ny fifandraisana amin’ny fanahy ratsy ankehitriny. Mifehy fandaminana tsy hita maso ilay Menarana fetsy. Mampiasa fandaminana hita maso koa ve anefa izy mba hamitahana olona? Hoy i Jaona: “Ary nahita bibidia niakatra avy tao amin’ny ranomasina aho. Ary nanana tandroka folo sy loha fito io bibidia io, ary nisy diadema folo teo amin’ireo tandrony, fa teo amin’ireo lohany kosa nisy anarana fanevatevana an’Andriamanitra. Ary ilay bibidia hitako dia tahaka ny leopara, fa ny tongony tahaka ny an’ny orsa, ary ny vavany tahaka ny vavan’ny liona. Ary ilay dragona dia nanome hery sy seza fiandrianana ary fahefana lehibe an’ilay bibidia.”—Apokalypsy 13:1b, 2.

      3. a) Inona avy ireo biby masiaka hitan’i Daniela mpaminany? b) Manondro inona ireo biby lehibe ao amin’ny Daniela 7?

      3 Inona io biby sampona io? Mamaly izany ny Baiboly. Nahazo fahitana momba ny biby masiaka i Daniela, talohan’ny nianjeran’i Babylona tamin’ny 539 T.K. Resahiny ao amin’ny Daniela 7:2-8 ny biby efatra avy tamin’ny ranomasina. Ny voalohany dia nitovy tamin’ny liona, ny faharoa tamin’ny orsa, ny fahatelo tamin’ny leopara, ary “indro ny fahefatra, biby mahatsiravina sady matanjaka sy mahery indrindra, ... sady nanana tandroka folo.” Mitovy be amin’ilay bibidia hitan’i Jaona tamin’ny taona 96 izany. Misy itoviany amin’ny liona sy orsa ary leopara koa izy io, ary nanana tandroka folo. Inona ireo biby lehibe hitan’i Daniela? Hoy izy: “Ireo biby lehibe efatra ireo dia mpanjaka efatra izay hitsangana avy amin’ny tany.” (Daniela 7:17) Manondro “mpanjaka”, na fitondrana ara-politika, tokoa ireo biby.

  • Miady Amin’ny Biby Masiaka Roa
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
    • 8. Nahoana no tsy tokony hanafintohina ny fampitahana ny fanjakana matanjaka anglisy-amerikanina amin’ny bibidia?

      8 Tsy manafintohina ve ny miantso an’ireo fitondrana ara-politika hoe bibidia? Nilaza izany ny mpanohitra ny Vavolombelon’i Jehovah, nandritra ny Ady Lehibe II, rehefa niadiana tany amin’ny fitsarana eran-tany ny maha ara-dalàna azy ireo. Eritrereto anefa izao: Moa ve tsy ireo firenena ihany no mampiasa biby na bibidia ho famantarana ny fireneny? Liona, ohatra, ny an’i Grande-Bretagne, voromahery ny an’i Etazonia, ary dragona ny an’i Chine. Koa nahoana àry no tsy hekena raha bibidia no ampiasain’ilay Loharanon’ny Baiboly Masina hanondroana firenena matanjaka?

      9. a) Nahoana no tokony hekena ny filazan’ny Baiboly hoe i Satana no manome fahefana lehibe an’ilay bibidia? b) Ahoana no ilazana an’i Satana ao amin’ny Baiboly, ary inona no heriny eo amin’ireo fitondram-panjakana?

      9 Nahoana koa àry no tsy hekena ny filazan’ny Baiboly hoe i Satana no manome fahefana lehibe an’ilay bibidia? Andriamanitra no niteny izany, ary ‘tahaka ny rano indray mitete avy amin’ny siny sy tahaka ny vovoka madinika amin’ny mizana’ ireo firenena, eo anatrehany. Tsy aleon’ireo firenena ve mitady sitraka amin’Andriamanitra, toy izay ho tezitra ny amin’ny fomba ilazan’ny faminaniany momba azy ireo? (Isaia 40:15, 17; Salamo 2:10-12) Tsy araka izay lazain’ny olona hoe mampijaly ny fanahin’ny maty ao amin’ny afobe i Satana. Tsy misy ny toerana toy izany. Lazain’ny Soratra Masina kosa fa “anjelin’ny mazava” izy, izany hoe mpamitaka raindahiny sy manan-kery lehibe eo amin’ny raharaha politika.—2 Korintianina 11:3, 14, 15; Efesianina 6:11-18.

  • Miady Amin’ny Biby Masiaka Roa
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
    • 12. a) Inona no dikan’ny hoe avy tao amin’ny “ranomasina” ilay bibidia, ary oviana izy io no nipoitra? b) Inona no dikan’ny hoe nanome fahefana lehibe an’ilay bibidia ilay dragona?

      12 Avy tao amin’ny “ranomasina” ilay bibidia. Manondro tsara an’ireo vahoaka mihotakotaka, izay nipoiran’ireo fitondram-panjakana, ny ranomasina. (Isaia 17:12, 13) Tamin’ny andron’i Nimroda (taonjato faha-21 T.K. tany ho any) no nipoiran’ilay bibidia avy tao amin’ny ranomasina, na ny olombelona nikorontana, rehefa nisy nanohitra an’i Jehovah taorian’ny Safodrano. (Genesisy 10:8-12; 11:1-9) Tamin’izao andron’ny Tompo izao anefa vao tena nipoitra ilay loha fahafito farany. Mariho koa fa ilay dragona no “nanome hery sy seza fiandrianana ary fahefana lehibe an’ilay bibidia.” (Ampitahao amin’ny Lioka 4:6.) Rafitra politika noforonin’i Satana teo anivon’ny olombelona ilay bibidia. I Satana tokoa no “mpitondra an’izao tontolo izao.”—Jaona 12:31.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara