FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Fiainana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • “Horonam-bokin’ny Zanak’ondry.” Horonam-boky hafa ilay ‘horonam-bokin’ny fiainana, dia ny horonam-bokin’ny Zanak’ondry.’ Toa ny anaran’ireo hiara-manjaka amin’i Jesosy Kristy any an-danitra ihany no voasoratra ao, na dia mbola eto an-tany aza izy ireo. (Ap 13:8; ampit. Ap 14:1, 4.) Miditra ao amin’ilay tanàna masina, na i Jerosalema Vaovao, ireo voasoratra anarana ao amin’ny “horonam-bokin’ny Zanak’ondry”, izany hoe lasa anisan’ireo hitondra ao amin’ny Fanjakan’ny Mesia any an-danitra. (Ap 21:2, 22-27) Sady voasoratra ao amin’ny “horonam-bokin’ny Zanak’ondry” ny anarany no ao amin’ny “bokin’ny fiainana.”​—Fi 4:3; Ap 3:5.

  • Anarana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Anarana ao amin’ny horonam-bokin’ny Zanak’ondry. Tsy voasoratra ao amin’ilay horonam-boky ny anaran’ireo mivavaka amin’ny bibidia. (Ap 13:8) Ilay dragona, na i Satana Devoly, no nanome fahefana sy hery ary seza fiandrianana an’ilay bibidia. Anisan’ny ‘taranaky ny menarana’ àry izay mivavaka amin’io bibidia io. (Ap 13:2; ampit. Jn 8:44; Ap 12:9.) Mbola tsy niteraka akory i Adama sy Eva dia efa nilaza i Jehovah Andriamanitra fa hifandrafy ny ‘taranaky ny vehivavy’ sy ny ‘taranaky ny menarana.’ (Ge 3:15) Efa hatramin’ny nanorenana an’izao tontolo izao àry no fantatra hoe tsy hisy ho voasoratra ao amin’ny horonam-bokin’ny Zanak’ondry ny anaran’izay mivavaka amin’ny bibidia. Ny anaran’izay masina eo imason’Andriamanitra ihany no ho voasoratra ao.​—Ap 21:27.

      An’ny Zanak’ondry ilay horonam-boky ka izay anarana omen’Andriamanitra azy ihany no hosoratany ao. (Ap 13:8; Jn 17:9, 24) Mahaliana fa resahin’ny Apokalypsy avy eo hoe misy 144 000 ireo novidina avy teo amin’ny olombelona, ary mitsangana eo amin’ny Tendrombohitra Ziona miaraka amin’ny Zanak’ondry izy ireo.​—Ap 14:1-5.

  • Horonam-boky
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • “Ilay horonam-bokin’ny Zanak’ondry.” Tsy nofidin’Andriamanitra hiaraka amin’ny Zanak’ondry ireo mivavaka amin’ilay “bibidia” an’ohatra. “Nanomboka tamin’ny nanorenana izao tontolo izao” no efa tapaka fa ‘tsy hosoratana ao amin’ny horonam-bokin’ny fiainana ny anaran’izy ireo, dia ao amin’ilay horonam-bokin’ny Zanak’ondry, izay efa novonoina ho faty.’​—Ap 13:1-8; 21:27.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara