-
MpisoronaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Vitsy ny Jiosy nanaiky an’i Kristy, ka tsy avy tamin’ilay firenena daholo ireo lasa anisan’ilay tena fanjaka-mpisorona sy firenena masina. (Ro 11:7, 20) Nivadika tamin’Andriamanitra ny Israely, ka efa hatry ny ela izy ireo no nampitandremany hoe: “Noho ianao nanda ny fahalalana, dia holaviko tsy ho mpisoroko intsony ianao. Ary noho ianao manadino foana ny lalàn’Andriamanitrao, dia hohadinoiko koa ny zanakao.” (Ho 4:6) Hoy koa i Jesosy tamin’ireo lohandohany teo amin’ny Jiosy: “Hesorina aminareo ny fanjakan’Andriamanitra ka izay firenena mamokatra voa mendrika an’ilay fanjakana no homena azy.” (Mt 21:43) Teo ambanin’ny Lalàna anefa i Jesosy Kristy tamin’izany. Nilaza tamin’ireo boka nositraniny àry izy mba hiseho tany amin’ny mpisorona sy hanolotra ny fanatitra notakin’ny Lalàna, satria fantany fa mbola tsy nifarana ny asa fisoronan’ny taranak’i Arona.—Mt 8:4; Mr 1:44; Lk 17:14.
-
-
VirjinyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Virjiny ny ampakarin’i Kristy. Virjiny ihany no azon’ny mpisoronabe teo amin’ny Israely nalaina ho vady. (Le 21:10, 13, 14; ampit. Ezk 44:22.) Mpisoronabe ambony i Jesosy Kristy ka tsy maintsy ho “virjiny” koa ilay ‘ampakariny’, izany hoe ilay ho vadiny any an-danitra. (Ap 21:9; He 7:26; ampit. Ef 5:25-30.) Tena tian’ny apostoly Paoly hadio foana àry ny fiangonana tany Korinto, satria izy te hanolotra azy io “ho virjiny madio ho an’i Kristy.” (2Ko 11:2-6) “Virjiny” foana ny tsirairay amin’ireo Kristianina voahosotra 144 000, ilay ampakarin’i Kristy, satria izy ireo miezaka foana ny ho tafasaraka amin’ity tontolo ity sy hadio fitondran-tena ary hanaraka fampianarana marina.—Ap 14:1, 4; ampit. 1Ko 5:9-13; 6:15-20; Jk 4:4; 2Jn 8-11.
-
-
VehivavyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
“Tsy nandoto tena tamin’ny vehivavy” ireo 144 000. Hoy ny Apokalypsy 14:1-4 momba ireo 144 000 mitsangana eo amin’ny Tendrombohitra Ziona miaraka amin’ny Zanak’ondry: “Novidina avy teto an-tany [izy ireo]. Izy ireo no tsy nandoto tena tamin’ny vehivavy, fa virjiny izy raha ny marina.” Mifandray akaiky amin’ny Zanak’ondry izy ireo matoa izy ireo ihany no mahay an’ilay “hira vaovao.” (Ap 14:1-4) Izy ireo àry ilay ‘ampakarin’ny’ Zanak’ondry. (Ap 21:9) Fanahy izy ireo satria miara-mitsangana aminy eo amin’ny Tendrombohitra Ziona any an-danitra. “Tsy nandoto tena tamin’ny vehivavy” izy ireo ary “virjiny.” Tsy midika anefa izany hoe tsy nisy nanambady ireo 144 000, satria tsy raran’ny Soratra Masina tsy hanambady ireo mbola eto an-tany nofidina ho mpiara-mandova amin’i Kristy. (1Ti 3:2; 4:1, 3) Tsy midika koa izany hoe lehilahy daholo izy ireo, satria ‘tsy misy intsony na lahy na vavy’ amin’ireo hiara-manjaka amin’i Kristy. (Ga 3:28) Vehivavy an’ohatra àry ireo “vehivavy” tsy nandotoany tena, dia ireo fivavahan-diso antsoina hoe Babylona Lehibe sy ireo ‘zanany vavy.’ Lasa maloto mantsy izay anisan’ireny sy miara-miasa aminy. (Ap 17:5) Notakin’ny Lalàna teo amin’ny Israely fahiny koa hoe virjiny ihany no azon’ny mpisoronabe nalaina ho vady. Nofidin’i Jehovah ho Mpisoronabe koa anefa i Jesosy Kristy.—Le 21:10, 14; 2Ko 11:2; He 7:26.
-