FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 21:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Tamin’izany fotoana izany, dia hoy i Abimeleka sy Pikola lehiben’ny tafiny, tamin’i Abrahama: “Momba anao Andriamanitra amin’izay rehetra ataonao.+

  • Genesisy 39:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Ary hatramin’izay nanendren’ilay Ejipsianina azy hiandraikitra ny tao an-tranony sy ny fananany rehetra, dia notahin’i Jehovah foana ny tao an-tranony, noho ny amin’i Josefa. Eny, notahin’i Jehovah izay rehetra nananany tao an-trano sy tany an-tsaha.+

  • Josoa 3:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Ary hoy i Jehovah tamin’i Josoa: “Manomboka anio no hanandratako anao eo imason’ny Israely rehetra,+ mba hahafantarany fa tahaka ny nombako an’i Mosesy+ no hombako anao koa.+

  • Zakaria 8:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 “Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Amin’izany andro izany, dia hisy olona folo avy amin’ny fiteny rehetran’ireo firenena+ hihazona+ ny akanjon’ny Jiosy+ iray, ka hanao hoe: “Mba handeha hiaraka aminareo izahay,+ fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.”’”+

  • 1 Korintianina 14:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Koa hanjary hiharihary+ izay miafina ao am-pony ka hiankohoka izy ary hivavaka amin’Andriamanitra, sady hilaza hoe: “Tena eo aminareo tokoa Andriamanitra.”+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara