Genesisy 12:7 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 7 Ary niseho tamin’i Abrama i Jehovah, ka niteny hoe: “Ny taranakao+ no homeko ity tany ity.”+ Avy eo i Abrama dia nanorina alitara teo ho an’i Jehovah, izay niseho taminy. Genesisy 22:9 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 9 Farany dia tonga teo amin’ilay toerana nolazain’Andriamanitra taminy izy mianaka. Ary nanorina alitara+ teo i Abrahama ka nandahatra ny kitay. Dia nafatony ny tongotra aman-tanan’i Isaka zanany. Ary nataony teo ambonin’ny alitara izy, teo ambonin’ny kitay.+ Genesisy 26:25 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 25 Koa nanorina alitara teo izy ka niantso ny anaran’i Jehovah,+ sady nanangana tranolay teo.+ Ary nandavaka lavadrano teo ny mpanompon’i Isaka.
7 Ary niseho tamin’i Abrama i Jehovah, ka niteny hoe: “Ny taranakao+ no homeko ity tany ity.”+ Avy eo i Abrama dia nanorina alitara teo ho an’i Jehovah, izay niseho taminy.
9 Farany dia tonga teo amin’ilay toerana nolazain’Andriamanitra taminy izy mianaka. Ary nanorina alitara+ teo i Abrahama ka nandahatra ny kitay. Dia nafatony ny tongotra aman-tanan’i Isaka zanany. Ary nataony teo ambonin’ny alitara izy, teo ambonin’ny kitay.+
25 Koa nanorina alitara teo izy ka niantso ny anaran’i Jehovah,+ sady nanangana tranolay teo.+ Ary nandavaka lavadrano teo ny mpanompon’i Isaka.