FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 13:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Koa nanopy ny masony i Lota, dia nahatazana ny Faritr’i Jordana manontolo+ hatrany Zoara.+ Azon-drano tsara ilay faritra manontolo talohan’ny nandravan’i Jehovah an’i Sodoma sy Gomora. Eny, tahaka ny zaridainan’i Jehovah+ ilay faritra, tahaka ny tany Ejipta.

  • Genesisy 19:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Ary i Jehovah nandefa solifara sy afo avy tamin’i Jehovah avy tany an-danitra, mba hilatsaka toy ny orana teo amin’i Sodoma sy Gomora.+

  • 2 Petera 2:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Nomelohin’Andriamanitra ny tanànan’i Sodoma sy Gomora rehefa nataony lasa lavenona,+ ka nataony ho ohatra ho an’ny olona tsy matahotra an’Andriamanitra, raha ny amin’izay hitranga amin’ny hoavy.+

  • Joda 7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Toy izany koa i Sodoma sy Gomora ary ny tanàna teny akaikiny,+ izay samy nanaram-po tamin’ny fijangajangana toy ireo anjely ireo koa, ka nanaraka ny filan’ny nofony mba hanao zavatra tsy fanao.+ Aseho ho anatra+ ho antsika ireo tanàna ireo, rehefa notsaraina ka nosazina tamin’ny afo maharitra mandrakizay.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara