FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Nehemia 9:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 “Ianao irery ihany no Jehovah.+ Ianao no nanao ny lanitra,+ eny, ny lanitry ny lanitra sy ny tafiny rehetra,+ mbamin’ny tany+ sy izay rehetra eo amboniny,+ ary ny ranomasina+ sy izay rehetra ao anatiny.+ Ianao no miantoka ny fahaveloman’ireny rehetra ireny. Miankohoka eo anatrehanao koa ny tafiky+ ny lanitra.

  • Salamo 146:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  6 Ilay Mpanao ny lanitra sy ny tany+

      Sy ny ranomasina ary ny zava-drehetra ao amin’ireo,+

      Dia Ilay mitana ny fahamarinana mandritra ny fotoana tsy voafetra,+

  • Isaia 42:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Izao no lazain’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, ilay Mpamorona ny lanitra,+ Ilay Be Voninahitra mamelatra ny lanitra,+ Ilay mamelatra ny tany+ mbamin’izay vokariny,+ Ilay manome fofonaina+ ho an’ny mponin’ny tany,+ sy manome aina* ho an’izay mandeha eny ambonin’ny tany:+

  • Zakaria 12:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Fanambarana:

      “Ny tenin’i Jehovah momba ny Israely.” Izao no tenin’i Jehovah, Ilay namelatra ny lanitra,+ sy nametraka ny fototry ny tany,+ ary namorona ny ain’ny+ olona, ka nametraka izany ao anatiny:

  • Asan’ny Apostoly 4:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Nony nandre izany izy ireo, dia niara-nientana ka nanandra-peo nivavaka tamin’Andriamanitra+ hoe:

      “Ry Tompo Fara Tampony+ ô, ianao no nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny zava-drehetra ao amin’ireo.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara