34 Tokony hataonareo toy ny teratany eo aminareo ihany ny vahiny monina eo aminareo. Ary tiavo tahaka ny tenanao izy,+ fa efa mba mpivahiny tany Ejipta ihany koa ianareo.+ Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
2 “Izao no holazainao amin’ny zanak’Israely: ‘Tsy maintsy vonoina ho faty izay manolotra ny taranany ho an’i Moleka,+ na anisan’ny zanak’Israely izy, na vahiny monina eo amin’ny Israely. Hitora-bato azy ho faty ny vahoaka.