5 “Fa Ilay Be Voninahitra Mpanao+ anao no vadinao sy tomponao.+ Jehovah Tompon’ny tafika no anarany.+ Ary Ilay Masin’ny Israely no Mpanavotra+ anao. Hantsoina hoe Andriamanitry ny tany manontolo izy.+
12 Fa tsy misy fahasamihafana ny Jiosy sy ny Grika.+ Iray ihany mantsy ny Tompo izay ambonin’izy rehetra, sady manome be dia be+ ho an’izay rehetra miantso azy.
14 Amin’izay mantsy ilay fitahiana an’i Abrahama dia ho tonga amin’ny hafa firenena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy,+ mba hahazoantsika ny fanahy nampanantenaina.+ Ary noho ny finoantsika+ no ahazoantsika izany.