FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 34:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Sao mantsy ianao manao fifanekena amin’ny mponina ao amin’ilay tany, nefa azo antoka fa hanana fifandraisana mamoafady amin’ny andriamaniny izy ireo+ ka hanao sorona ho an’ny andriamaniny,+ dia hisy hanasa anao ka hihinana tokoa amin’ny sorona ataony ianao.+

  • Deoteronomia 7:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Fa hampiala ny zanakao lahy tsy hanaraka ahy izy, ka azo antoka fa hanompo andriamani-kafa ireo.+ Koa hirehitra aminareo tokoa ny fahatezeran’i Jehovah, ka tsy hiandry ela izy, fa handringana anareo.+

  • Josoa 23:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 “Fa raha miala aminy kosa ianareo+ ka mifikitra amin’ny sisa tavela amin’ireo firenena+ mbola eo aminareo ireo, ary mifanambady*+ amin’ireo ka mifanerasera aminy ary izy ireo koa mifanerasera aminareo,

  • Salamo 106:35
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 35 Nifangaroharo tamin’ny firenen-kafa kosa izy ireo,+

      Ka nianatra ny fanaony.+

  • Isaia 2:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Nafoinao ny olonao, dia ny taranak’i Jakoba.+ Fa lasa feno fanao avy any Atsinanana+ ny taniny, ary mampiasa herin’ny maizina+ izy ireo toy ny ataon’ny Filistinina, sady feno zanaky ny hafa firenena eo aminy.+

  • 1 Korintianina 5:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Tsy tsara ny antony ireharehanareo.+ Tsy fantatrareo ve fa lalivay kely fotsiny dia mampitombo+ ny koba manontolo?+

  • 1 Korintianina 15:33
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 33 Aza manaiky ho voafitaka ianareo: Ny naman-dratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara