-
Josoa 18:16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Ary nidina nankany amin’ny sisin’ilay tendrombohitra tandrifin’ny lohasahan’ny taranak’i Hinoma+ izany. Eo amin’ny ilany avaratra amin’ny lemaka ivan’ny Refaima+ io tendrombohitra io. Dia nidina nankany amin’ny lohasahan’i Hinoma ilay sisin-tany, eny, nankeo amin’ny ilany atsimo amin’ny tehezan-kavoanan’ny Jebosita+ ka nidina nankany En-rogela.+
-
-
Matio 5:22Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
22 Izaho kosa anefa milaza aminareo fa izay rehetra mitahiry fahatezerana+ amin’ny rahalahiny, dia hatao ampamoaka+ eo anatrehan’ny fitsarana. Ary izay manabanty ny rahalahiny, dia hatao ampamoaka eo anatrehan’ny Fitsarana Tampony. Fa izay milaza kosa hoe: ‘Ilay adala tsisy fotony ity!’, dia mendrika ho any amin’ny Gehena*+ mirehitra.
-