FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Mpitsara 3:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Dia nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah ny zanak’Israely sady nalaky nanadino an’i Jehovah Andriamaniny,+ ka lasa nanompo an’ireo Bala+ sy ireo tsato-kazo masina.+

  • Mpitsara 10:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Ary nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah indray ny zanak’Israely,+ ka nanompo an’ireo Bala,+ sy ireo sarin’i Astarta,+ sy ireo andriamanitr’i Syria,+ sy ireo andriamanitr’i Sidona,+ sy ireo andriamanitr’i Moaba,+ sy ireo andriamanitry ny taranak’i Amona,+ ary ireo andriamanitry ny Filistinina.+ Koa nahafoy an’i Jehovah izy ireo ary tsy nanompo azy.+

  • 1 Samoela 7:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Koa hoy i Samoela tamin’ny taranak’Israely manontolo: “Raha amin’ny fonareo manontolo no iverenanareo amin’i Jehovah,+ dia esory tsy ho eo aminareo ny andriamani-kafa+ sy ireo sarin’i Astarta.+ Atodiho amin’i Jehovah ny fonareo ka aza avela hiovaova, ary manompoa azy irery ihany,+ dia hanafaka anareo eo an-tanan’ny Filistinina izy.”+

  • 1 Mpanjaka 11:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Fa nanaraka an’i Astarta,+ andriamanibavin’ny Sidonianina i Solomona, sady nanaraka an’i Milkoma,+ zava-maharikoriko notompoin’ny Amonita.

  • 2 Mpanjaka 23:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Ary nozimbazimbain’ny mpanjaka ireo toerana avo tandrifin’i+ Jerosalema, mba tsy ho mendrika hatao toeram-pivavahana intsony. Teo ankavanan’ny Tendrombohitry ny Faharavana no nisy ireo toerana avo ireo, ary i Solomona+ mpanjakan’ny Israely no nanorina azy ho an’i Astarta,+ ilay zava-maharikoriko notompoin’ny Sidonianina, sy ho an’i Kemosy,+ ilay zava-maharikoriko notompoin’ny Moabita, ary ho an’i Milkoma,+ ilay zava-maharikoriko notompoin’ny taranak’i Amona.

  • Salamo 106:36
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 36 Dia notompoin’izy ireo ny sampin’ireny,+

      Ka nanjary fandrika ho azy.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara