FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Samoela 13:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Koa izao dia tsy haharitra ny fanjakanao.+ Hahita lehilahy sitraky ny fony i Jehovah,+ ary hotendren’i Jehovah ho mpitarika+ ny vahoakany izy, satria ianao tsy nitandrina an’izay nandidian’i Jehovah anao.”+

  • 1 Samoela 16:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Farany, dia hoy i Jehovah tamin’i Samoela: “Mandra-pahoviana ianao no halahelo noho ny amin’i Saoly,+ nefa izaho efa nanda azy tsy ho mpanjakan’ny Israely?+ Fenoy menaka+ ilay tandroka any aminao, ka mandehana. Hirahiko ho any amin’i Jese+ Betlehemita ianao, fa efa nahita mpanjaka ho ahy aho, eo amin’ireo zanany lahy.”+

  • 1 Tantara 28:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 “Ary ianao, ry Solomona zanako, fantaro+ ilay Andriamanitry ny rainao, ka manompoa+ azy amin’ny fo manontolo+ ary aoka ianao ho finaritra eo am-panompoana azy.+ Fa mandinika ny fo rehetra i Jehovah,+ ary hitany avokoa ny eritreritra sy ny faniriana.+ Raha mitady azy ianao, dia hataony izay hahitanao azy,+ fa raha mahafoy azy kosa ianao,+ dia hariany mandrakizay.+

  • Asan’ny Apostoly 13:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Ary rehefa nesoriny i Saoly,+ dia notendreny ho mpanjakan’izy ireo i Davida.+ Izao no nambarany momba an’io Davida io: ‘Nahita an’i Davida zanak’i Jese aho.+ Lehilahy sitraky ny foko+ izy, ary hanao izay iriko rehetra.’+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara