FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Levitikosy 26:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 dia izao kosa no hataoko aminareo: Hosaziko tokoa ianareo ka hivarahontsana sy ho voan’ny tioberkilaozy+ sy ny fanaviana mahery. Dia ho simba ny masonareo+ ary ho osa ny vatanareo.+ Ho very maina fotsiny ny namafazanareo voa, satria ny fahavalonareo no handany izany.+

  • Deoteronomia 28:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 “Raha tsy mihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao kosa ianao, ka tsy mitandrina tsara ny didiny rehetra sy ny lalàny izay andidiako anao anio, dia ho tonga aminao ireto ozona rehetra ireto, ka hahatratra anao:+

  • Deoteronomia 30:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 dia lazaiko aminareo marimarina anio, fa ho ripaka tokoa ianareo.+ Tsy ho lava andro iainana ianareo eo amin’ilay tany halehanareo eny ampitan’i Jordana mba halainareo ho fanananareo.

  • Josoa 23:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 dia fantaro tsara fa tsy handroaka an’ireo firenena ireo intsony noho ny aminareo i Jehovah Andriamanitrareo.+ Ho vela-pandrika sy fandrika ho anareo izy ireo, sady ho karavasy hikapoka ny tehezanareo+ sy ho tsilo ao anaty masonareo, mandra-paharipakareo tanteraka tsy ho eto amin’ity tany soa efa nomen’i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity.+

  • Daniela 9:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Nandika ny lalànao ny Israely rehetra, sady tsy nankatò ny teninao.+ Koa nampiharinao taminay ny ozona sy ny fianianana+ voasoratra ao amin’ny lalàn’i Mosesy mpanomponao, satria nanota taminao izahay.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara