FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Josoa 7:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Ary ho ren’ny Kananita sy ny mponina rehetra eto amin’ity tany ity izany, dia hanodidina anay izy ireo ka hanafoana ny anaranay tsy ho eto an-tany.+ Dia hataonao ahoana ny anaranao be voninahitra?”+

  • 1 Samoela 12:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Fa tsy hahafoy ny olony i Jehovah,+ noho ny amin’ny anarany be voninahitra,+ satria i Jehovah mihitsy no efa nanapa-kevitra hanao anareo ho olony.+

  • Salamo 65:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  3 Tototry ny fahadisoana aho.+

      Ary ny helokay, dia ianao no hamela* azy.+

  • Salamo 78:38
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 38 Namindra fo anefa izy,+ ary namela fahadisoana,+ ka tsy nandringana.+

      Imbetsaka koa izy no nanindry ny fahatezerany,+

      Ka tsy namoaka ny fahavinirany rehetra.

  • Isaia 48:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Hifehy ny fahatezerako anefa aho noho ny anarako,+ ary hifehy tena aho mba hahazoako fiderana. Amin’izay dia tsy ho ringana ianao.+

  • Jeremia 14:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Na dia miampanga anay aza ny fahadisoanay, Jehovah ô, dia aoka hanao zavatra ianao noho ny anaranao,+ fa efa imbetsaka izahay no nivadika taminao.+ Taminao izahay no nanota.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara