6 Dia hiaraka tsindraindray ny zanak’ondry sy ny amboadia,+ hatoritory hiaraka amin’ny zanak’osy ny leopara, ary hiaraka daholo ny zanak’omby sy ny liona tanora+ ary ny biby nohatavezina,+ ka ankizilahikely no hitarika azy ireo.
25 “Ny amboadia+ sy ny zanak’ondry hiara-komana,+ ny liona hihina-mololo hoatran’ny omby,+ ary ny bibilava kosa dia vovoka no ho sakafony.+ Ary tsy handratra+ na hanimba eran’ny tendrombohitro masina+ ireny”, hoy i Jehovah.
18 Ho azy ireo no hanaovako fifanekena amin’izany andro izany, dia fifanekena amin’ny bibidia+ sy ny voro-manidina eny amin’ny lanitra ary ny biby mandady amin’ny tany. Hofoanako tsy ho eo amin’ilay tany ny tsipìka sy ny sabatra ary ny ady.+ Ary hataoko mandry feizay izy ireo.+