FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 28:48
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 48 Hanompo ny fahavalonao+ izay halefan’i Jehovah hiady aminao ianao, na dia noana+ sy mangetaheta aza, sady mitanjaka sy tsy manana na inona na inona. Ary hasiany zioga vy eo amin’ny vozonao, mandra-pandringany tanteraka anao.+

  • Isaia 10:27
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 “Amin’izany andro izany, dia hiala tsy ho eo an-tsorokao ny entana nampitondrain’i Asyria,+ ary hiala tsy ho eo am-bozonao ny ziogany+ ka ho tapatapaka,+ noho ny fisian’ny menaka.”

  • Jeremia 30:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 “Amin’izany andro izany”, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, “dia hotapahiko ny zioga eny am-bozonao ary hotapahiko roa ny tady mangeja anao.+ Tsy hisy hafa firenena hampanompo an’i Jakoba intsony.

  • Ezekiela 34:27
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 Hamoa ny hazo eny an-tsaha,+ ary hamokatra ny tany.+ Tsy hanana ahiahy tokoa izy ireo ao amin’ny taniny.+ Dia tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah rehefa tapahiko ny baran’ny ziogany,+ ka hovonjeko avy eo an-tanan’izay mampiasa azy ho andevo izy.+

  • Nahoma 1:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Ankehitriny dia hotapahiko hiala aminao ny zioga nampitondrainy anao,+ ary hotapahiko hizara roa izay nangejana anao.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara