FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Levitikosy 26:33
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 33 Haparitako any amin’ny firenen-kafa ianareo,+ ary hanatsoaka sabatra hanenjehana anareo aho.+ Dia tsy hisy mponina ny taninareo,+ ary ny tanànanareo ho rava tsy hisy mponina.

  • Deoteronomia 28:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Hataon’i Jehovah resy eo anoloan’ny fahavalonao ianao.+ Lalana iray no hivoahanao hiady aminy, fa lalana fito kosa no handosiranao eo anoloany. Ary ho raiki-tahotra ny fanjakana rehetra eran-tany rehefa mahita izay nanjo anao.+

  • 2 Tantara 29:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Koa tezitra+ tamin’ny Joda sy Jerosalema i Jehovah, ka nataony zavatra atahoran’ny olona ny ho tonga tahaka azy.+ Nataony igagan’ny olona+ sy mahatonga ny olona hisioka+ koa izy. Izao hitan’ny masonareo izao izany.

  • Jeremia 15:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Hataoko mangovitra ny fanjakana rehetra eto an-tany mahita an’izay hanjo azy,+ noho ny amin’i Manase zanak’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda, sy noho izay nataony tao Jerosalema.+

  • Jeremia 24:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Handefasako sabatra+ sy mosary+ ary areti-mandringana+ izy ireo hamely azy, mandra-paharipany tanteraka tsy ho eo amin’ilay tany nomeko azy sy ny razany.’”+

  • Jeremia 34:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 “Koa izao no nolazain’i Jehovah: ‘Tsy nankatò ahy ianareo, satria tsy nanao antso avo tamin’ny rahalahinareo sy ny namanareo intsony hoe tokony hafahana+ ny mpanompo. Koa izao kosa no fahafahana ataoko antso avo aminareo:+ Ho fatin’ny sabatra+ sy ny areti-mandringana+ ary ny mosary+ ianareo’, hoy i Jehovah. ‘Ary hataoko mangovitra mihitsy ny fanjakana rehetra eto an-tany mahita an’izay hanjo anareo.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara