FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Jeremia 25:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 i Farao mpanjakan’i Ejipta sy ny mpanompony sy ny andrianany ary ny vahoakany rehetra;+

  • Jeremia 46:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Izao no teny momba an’i Ejipta,+ eny, momba ny tafik’i Farao Neko mpanjakan’i Ejipta+ izay resin’i Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona teo akaikin’ny reniranon’i Eofrata, any Karkemisy,+ tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Joiakima+ zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda:

  • Jeremia 46:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Izao no tenin’i Jehovah tamin’i Jeremia mpaminany momba ny hahatongavan’i Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona mba hanafika an’i Ejipta:+

  • Ezekiela 29:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 “Koa izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Homeko an’i Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona i Ejipta,+ ka hoentiny ny harena ao. Haka babo be dia be tokoa izy+ ary handroba zavatra maro dia maro. Izany no ho karaman’ny tafiny.’

  • Ezekiela 30:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Hisy sabatra ho tonga any Ejipta,+ ary hanaintaina mafy i Etiopia rehefa hiampatrampatra any Ejipta ny faty, ka ho lasan’ny sasany ny harenany ary horavany ny fototra niorenany.+

  • Ezekiela 30:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Ho maizina ny andro ao Tapanesa,+ rehefa hotapahiko ao ny ziogan’i Ejipta.+ Koa hataoko mifarana hatreo ilay heriny izay ireharehany.+ Ho voasaron-drahona kosa izy+ ary ho lasa babo ireo tanàna miankina aminy.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara