-
Nehemia 4:14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Raha vao hitako fa natahotra izy ireo, dia nitsangana aho ka nilaza tamin’ny olona ambony+ sy ny solontenam-panjakana+ ary ny vahoaka hoe: “Aza matahotra+ an’ireo fa i Jehovah, ilay lehibe+ sy mendrika hatahorana+ no ataovy an-tsaina. Ary miadia hiaro ny rahalahinareo+ sy ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy sy ny vadinareo ary ny tranonareo.”
-
-
Nehemia 9:32Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
32 “Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, ry Andriamanitra lehibe+ sy mahery+ ary mendrika hatahorana,+ izay manaja fifanekena+ sy maneho hatsaram-panahy feno fitiavana!+ Aza atao tsinontsinona+ re ny fahoriana rehetra nanjo anay+ sy ny mpanjakanay+ sy ny andriananay+ sy ny mpisoronay+ sy ny mpaminaninay+ sy ny razanay+ ary ny olonao rehetra, hatramin’ny andron’ireo mpanjakan’i Asyria ka mandraka androany.+
-