16 Ary be dia be ny ran’olona tsy manan-tsiny nalatsak’i Manase,+ ka nofenoiny ra i Jerosalema. Izany dia ankoatra ny fahotana izay nataony sy nampanotany ny Joda, ka nahatonga ny Joda hanao izay ratsy teo imason’i Jehovah.+
17 ‘Ny masonao sy ny fonao kosa tsy mifantoka afa-tsy amin’ny fakana tombony tsy ara-drariny+ sy ny fandatsahana ran’olona tsy manan-tsiny,+ ary amin’ny fanambakana sy ny fakana an-keriny, ka notanterahinao ireo.’
9 Koa hoy izy tamiko: “Lehibe dia lehibe+ ny fahadisoan’ny taranak’Israely sy Joda,+ ka feno fandatsahan-dra+ ilay tany ary manjaka ao an-tanàna ny tsy fahamarinana.+ Nilaza mantsy ny olona hoe: ‘Efa nafoin’i Jehovah ny tanintsika!+ Tsy mahita i Jehovah!’+
2 Koa mihabetsaka ny fanozonana+ sy ny famitahana+ sy ny vonoan’olona+ sy ny halatra+ ary ny fanitsakitsaham-bady,+ sady misesisesy ny fandatsahan-dra.+