FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Mpanjaka 17:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Tsy nihaino anefa izy ireo fa nanamafy hatoka+ foana, toy ny nataon’ny razany izay tsy naneho finoana+ an’i Jehovah Andriamaniny.

  • 2 Tantara 36:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Nataon’izy ireo ho fihomehezana+ foana anefa ny irak’Andriamanitra, ary nataony tsinontsinona ny tenin’Andriamanitra,+ sady nesoiny+ ny mpaminaniny, mandra-pihatran’ny fahatezeran’i+ Jehovah tamin’ny olony, ka tsy nisy fanafany intsony.+

  • Jeremia 25:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 “Efa hatramin’ny taona fahatelo ambin’ny folo nanjakan’i Josia+ zanak’i Amona, mpanjakan’ny Joda, ka mandraka androany, eny, tao anatin’izay telo amby roapolo taona izay, dia tonga tamiko ny tenin’i Jehovah, ary niteny taminareo foana aho, ka nifoha maraina mba hiteny taminareo, nefa tsy nihaino ianareo.+

  • Zakaria 1:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 “‘Aza manahaka ny razanareo,+ izay nitenenan’ny mpaminany fahiny+ hoe: “Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Mialà amin’ny lalan-dratsinareo sy ny ratsy fanaonareo, ka miverena amiko.’”’+

      “‘Tsy nihaino anefa izy ireo, ary tsy niraharaha izay nolazaiko’,+ hoy i Jehovah.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara