6 Kely sisa no azo otazana eo aminy, toy ny rehefa manintsana voan’oliva, ka voan’oliva masaka roa na telo no eny an-tendron’ny rantsany, ary efatra na dimy no eny amin’ireo sampany mamoa”, hoy i Jehovah Andriamanitry ny Israely.+
13 Dia ho toy izany no hitranga ao amin’ilay tany, eo amin’ireo firenena, izany hoe ho toy ny rehefa manintsana voan’oliva,+ sy ho toy ny rehefa mioty izay voaloboka sisa aorian’ny fotoam-piotazana.+
9 Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika: “Tsy maintsy hotsimponina toy ny voaloboka navelan’ny mpioty,+ ny sisa amin’ny Israely. Averimbereno eo amin’ny sakeli-boaloboka ny tananao, toy ny ataon’ny mpioty.”