FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Ezekiela 34:28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 Tsy horobain’ireo firenena intsony izy ireo,+ ary ny bibidia eny ambonin’ny tany tsy hihinana azy ireo. Honina tsy amin’ahiahy izy ireo ary tsy hisy hampangovitra azy.+

  • Hosea 2:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Ho azy ireo no hanaovako fifanekena amin’izany andro izany, dia fifanekena amin’ny bibidia+ sy ny voro-manidina eny amin’ny lanitra ary ny biby mandady amin’ny tany. Hofoanako tsy ho eo amin’ilay tany ny tsipìka sy ny sabatra ary ny ady.+ Ary hataoko mandry feizay izy ireo.+

  • Mika 4:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Dia samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny+ izy, ary tsy hisy hampangovitra azy,+ fa ny vavan’i Jehovah Tompon’ny tafika no efa niteny.+

  • Apokalypsy 7:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 satria ny Zanak’ondry,+ izay eo akaikin’ny seza fiandrianana, dia hiandry+ azy ireo toy ny ataon’ny mpiandry ondry, ka hitarika azy ho any amin’ny loharanon’ny ranon’aina.+ Ary hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony.”+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara