10 Tsy hiala amin’i Joda mihitsy ny tehim-panjakana,+ ary tsy hiala eo anelanelan’ny tongony ny tehim-pahefana, mandra-pahatongan’i Silo.*+ Dia hankatò an’i Silo ny firenena rehetra.+
16 I Abrahama sy ny taranany+ no nilazana ny fampanantenana. Tsy nolazaina anefa hoe “ary ho an’ireo taranakao”, izany hoe ho an’olona be dia be, fa hoe “ary ho an’ny taranakao”, izany hoe ho an’olona tokana, dia i Kristy.+