FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 2:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Noho izany, dia handao ny rainy sy ny reniny ny lehilahy ka hikambana* amin’ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy roa.+

  • Genesisy 20:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Indray alina dia niteny tamin’i Abimeleka tao amin’ny nofy Andriamanitra hoe: “Ho faty ianao fa naka an’io vehivavy io.+ Vadin’olona mantsy izy.”+

  • Genesisy 20:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Dia niteny taminy tao amin’ny nofy Andriamanitra hoe: “Fantatro fa tamin’ny fo madio no nanaovanao an’izao, ka nosakanako tsy hanota amiko ianao. Izany no antony tsy namelako anao hikasika azy.

  • Salamo 51:0
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • Ho an’ny mpitarika. Hira nataon’i Davida, tamin’i Natana mpaminany nankao aminy, taorian’ny nanaovan’i Davida firaisana tamin’i Batseba.+

  • Salamo 51:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  4 Taminao aho no tena nanota;*+

      Izay ratsy eo imasonao no nataoko.+

      Koa manana ny marina ianao rehefa miteny,

      Ary ara-drariny ny didim-pitsaranao.+

  • Marka 10:7, 8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Noho izany, dia handao ny rainy sy ny reniny ny lehilahy,+ 8 ary ho nofo iray ihany izy roa.’+ Koa tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany.

  • Hebreo 13:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Aoka ho mendri-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aza avela ho voaloto ny fandrianan’ny mpivady,+ fa homelohin’Andriamanitra ny mpijangajanga* sy ny mpanitsakitsa-bady.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara