FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Ohabolana 6:32
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 32 Tsy ampy saina* izay manitsakitsa-bady ka mijangajanga amin’ny vehivavy.

      Manimba tena izay manao an’izany.+

  • 1 Korintianina 6:9, 10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Sa tsy fantatrareo fa tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra ny olona tsy marina?+ Aza manaiky ho voafitaka* ianareo. Fa ny mpijangajanga,*+ ny mpanompo sampy,+ ny mpanitsakitsa-bady,+ ny lehilahy manaiky hanaovan’ny lehilahy firaisana,+ ny lehilahy miray amin’ny lehilahy,*+ 10 ny mpangalatra, ny olona manana faniriana tsy mety afa-po,+ ny mamo lava,+ ny mpanevateva,* ary ny mpanao an-keriny, dia tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra.+

  • 1 Korintianina 6:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Andosiro ny fijangajangana!*+ Izay fahotana hafa rehetra ataon’ny olona dia eny ivelan’ny vatany, fa ny mpijangajanga kosa manota amin’ny vatany ihany.+

  • Galatianina 5:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Miharihary ny asan’ny nofo, dia fijangajangana,*+ fahalotoana, fitondran-tena tsy misy henatra,*+

  • Galatianina 5:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 fitsiriritana, fimamoana,+ fety tsy voafehy,* ary zavatra hafa hoatran’ireo.+ Mampitandrina anareo mialoha aho, hoatran’ny efa nampitandremako anareo, fa tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra izay mpanao an’ireo zavatra ireo.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara