21 Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Nomeko hery hanaovana fahagagana ianao. Koa rehefa tafaverina any Ejipta ianao, dia tena ataovy eo anatrehan’i Farao ireny fahagagana rehetra ireny.+ Fa izaho kosa hamela azy* hiziriziry amin’ny heviny,+ ka tsy halefany ny vahoaka.+
10 Nanao an’izany fahagagana rehetra izany teo anatrehan’i Farao i Mosesy sy Arona.+ Navelan’i Jehovah hiziriziry tamin’ny heviny anefa i Farao,* ka tsy nalefany hiala tao amin’ny taniny ny Israelita.+
17 Fa hoy ny Soratra Masina momba an’i Farao: “Izao no tena antony namelako anao ho velona: Mba hampisehoana aminao ny heriko sy mba hanambarana ny anarako eran-tany.”+18 Izay tiany hamindrana fo àry no amindrany fo, fa avelany ho mafy loha kosa izay tiany ho mafy loha.+