-
Josoa 2:9, 10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Hoy izy tamin’izy roa lahy: “Fantatro fa homen’i Jehovah anareo ity tany ity,+ ary matahotra anareo izahay.+ Kivy ny mponina rehetra eto amin’ity tany ity satria ho avy ianareo.+ 10 Henonay mantsy fa nataon’i Jehovah ritra teo anoloanareo ny Ranomasina Mena, rehefa niala tany Ejipta ianareo.+ Henonay koa ny nataonareo tamin’ny mpanjaka amorita roa, dia i Sihona+ sy Oga,+ izay naringanareo teny ampitan’i* Jordana.
-
-
1 Tantara 16:24Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
24 Lazao amin’ireo firenena hoe be voninahitra izy,
Ary lazao amin’ny vahoaka rehetra ny zavatra mahatalanjona nataony.
-
-
Isaia 63:12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Aiza Ilay nanohana ny tanana ankavanan’i Mosesy+ tamin’ny sandriny be voninahitra,
Dia Ilay nanasaraka ny rano teo alohan’izy ireo,+
Mba hampahalaza ny anarany mandrakizay?+
-