13 Ary hoy Andriamanitra tamin’i Abrama: “Fantaro tsara fa ho vahiny any an-tanin’olona ny taranakao. Ary hataon’ny mponina any andevo ry zareo, ka hampijaliny 400 taona.+
7 Niteny koa i Jehovah hoe: “Efa hitako tokoa ny fahorian’ny vahoakako any Ejipta, ary efa henoko ny fitarainany noho ny ataon’ireo manery azy hiasa. Fantatro tsara ny fijaliany.+