3 Dia ho an’i Arona sy ny zanany lahy ny ambin’ilay fanatitra varimbazaha,+ ho zavatra masina indrindra+ avy amin’ny fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah.
13 Handrakotra ny fahotan’ilay olona ny mpisorona, noho izy nanao ny iray amin’ireo fahotana ireo, ka ho voavela ny helony.+ Ary ho an’ny mpisorona ny ambin’ilay fanatitra,+ toy ny amin’ny fanatitra varimbazaha.’”+
29 Izy ireo no hihinana ny fanatitra varimbazaha+ sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanatitra noho ny heloka.+ Ary ho lasan’izy ireo izay zavatra voatokana rehetra eo amin’ny Israely.+
13 Tsy fantatrareo ve fa izay manao asa masina ao amin’ny tempoly dia mihinana an’izay zavatra ao, ary izay manompo tsy tapaka eo amin’ny alitara dia mahazo anjara avy amin’ny alitara?+